Nidaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-48 taonany i Lalie. Tsy zohina amin’ny rehetra ny kanto nasehony teo amin’ny sehatry ny hira, ary tena nalaza ary nanana ny maha-izy azy. Nandalo sedra sarotra izy tamin’ny fiainany ary tsy salama. Tsy naharaka intsony ny fitsaboana ary nanao antso ho an’ny rehetra izy mba hanampy azy. Ny Fanjakana moa efa fantatsika fa tsy mba manana vina amin’izany fanampiana izany, indrindra eo amin’ny mpanakanto. Mampalahelo ! Namoy ny ainy teny an-dalana ho any amin’ny toeram-pitsaboana i Lalie.
Mandria am-piadanana ! Tsy adino ireo fotoana kely nifaneraserana teo amin’ny hira sy mozika.
Ny AMP dia mirary fampiononana ho an’ny Ankohonana, ny Mpanakanto ary ny Fianakaviana manontolo.
Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.