MPANAKANTO NJARA MARCEL Nahatontosa ny nofinofiny

Nandritra ny niatrehan’i Njara Marcel ny fifaninanana ara-java-kanto « Talenta sy kanto » fanaon’ny sekoly katolika ESCA etsy Antanimena, ary nahazoany ny laharana faharoa no teraka ny nofinofiny ny amin’ny tsy maintsy iseharan’i Njara Marcel irery eny an-tsehatra ao amin’ny CCESCA Antanimena indray andro any… Tanteraka noho ny nitafiany mandrakariva ny fahavononana, ny fahamatorana ary ny fananana faharetana amin’izay rehetra atao miampy ny fanankinana ny fiainana amin’ilay Ray tsitoha tokoa ilay nofy.

Njara Marcel, mpanakanto tanora manome lanja manokana ny « rima » sy ny famolahana ny teny malagasy hanjary tononkira kanto, tsara rafitra, mafonja ary rakotra hafatra mahasoa sahaza ny isam-batan’olona. Tombony ho azy ny nahazoany fiofanana matevina eo amin’ny fomba fiseharana, famolahana ny feo, famoronana sy fandrindrana hira ary ny talenta ananany eo amin’ny fitendrena zavamaneno tahaka ny aponga sy ny gitara tsotra (acoustique). Ambony apanga mbola ananany ilay feo voajanahary mahatakatra avo sy ny fisian’ilay angolam-peo kanto miaraka amin’izany. Manana fomba fanononana teny « mazava » ihany koa i Njara Marcel rehefa mivazo. Tsy mahagaga raha maro no babony eo ampihainoana ireo tsanganasany.

Raha itodihana ny taona 2023, fahombiazana ho an’i Njara Marcel sy ireo mpiara-miasa aminy ny nanantanterahan’izy ireo ny « Hiafiko tour » izay nitetezana faritra maro teto Madagasikara. Hotohizana ny fiakarana an-tsehatra ho an’ity mpanakanto ity ary hisy ihany koa ny famoahana rakitsary omban-tsary vaovao. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny vazo be mpankafy indrindra ny « Hiafiko » teny anivon’ireo tambazotran-tserasera isan-karazany. « Njara Marcel, anisan’ireo mpanakanto hanana ny hoaviny mamiratra tokoa », hoy ny maro eo ampanjifana ireo tsanganasany.

Vous aimerez aussi