Difotra anatin’ny fahasahiranana tanteraka ireo mpanakanto malagasy, mpikarakara lanonana ao anatin’ny fiatrehana ny ady atao amin’ny covid- 19. Tsy afaka manohy ny asanay intsony izahay, hoy ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana. Vokany, tsy misy ny vola miditra entina miatrika ny fiainana andavanandro. Nisy tamin’ireo solontenan’ny mpanakanto no nisendaotra ka naha loabava hoe : « Ambany noho ny mpampanofa fahafinaretana angamba no fiheveran’ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena ny mpanakanto, ka tsy tokony ho henoina akory ny tarainan’izy ireo ».
Miala ilany sy mifanipy baolina
Efa nisy ny fitondrana ny fitarainana sy ny lisitra mirakitra ny anaran’ireo mpanakanto ho an’ny teto Iarivo. Nihazo ny tomponandraikitra miadidy ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana ary efa nidodododo ihany koa teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Nampalahelo, hoy ny mpanakanto fa toa samy « miala ilany » avokoa ny roa tonta ary lany andro « mifanipy baolina » fotsiny ihany hatreto.
Dingana efa nataon’ireo mpanaknto sy mpikarakara lanonana ihany koa ny fangatahana fihaonana tamin’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny kolontsaina sy ny fifandraisana. Ity farany izay mpiahy voalohany ireo mpisehatra eo anivon’ny kanto. Tsy nisy namaly anefa hatreto ny fangatahana nataon’izy ireo. Mahatsiaro tena ho kamboty velon-draiamandreny ireo mpanakanto sy mpisehatra amin’ny lafiny kanto ankehitriny noho ireo tranga niainan’izy ireo. Mailaka aoka izany, hoy ihany izy ireo ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana rehefa misy ilàna mpanakanto entina hikatsahana seza sy hanamafisana fahefana fa mihisatra kosa izy ireo rehefa mba hitondra fanampiana ho an’ireo mpanakanto tojo ady mafy tahaka izao.
![](https://i0.wp.com/www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png?resize=100%2C100&ssl=1)