MPANAKANTO « GUSTE » « Hanitsiako ny mpiara-belona ny Rap »

I Guste, 08 taona niangaliana ny Rap gasy.

Soanandrasana Augustinna no tena anaran’ity tovolahy mpanao Rap gasy efa ho 08 taona izao ity. Guste no anarana nofinidiny isalorany anatin’ny habaky ny mozika Rap. Efa nahavokatra rakikira miisa 02 ahitana ny “Nahoana àry ?” sy ny “Rap Literatiora”. Anisan’ny sanganasan’I Guste efa maro mpankafy sy mpiondana ilay vazony “Mediocratie”. Hira manambara amin’ny fomba mahitsy toraka fa maro ireo endrika tsy fahatomombanana sy tsy fahampiana eo amin’ny fomba fitantanana an’I Madagasikara tahaka ny fisian’ny kolikoly, ny fahantrana miompampana, ny trafika maloto amin’ny endriny maro, sns).

Fitaovana iray mahomby ampitako ny fomba fijeriko ny fiainan’ny firenena (politika, sosialy, toekarena, sns) sy ny fampahafantarana ireo lesoka mila ahitsy sy madilana mila tentenina eo amin’ny fiainam-piaraha-monina amin’ny ankapobeny, araka izany, ny mozika Rap, hoy I Guste. Mora kokoa ny mampita ny hafatra anatin’ny zavakanto tahaka ny mozika ho an’ireo mpiara-belona, hoy hatrany izy. Maro ireo olana sedraina anatin’ny fanaovana mozika, hoy I Guste nefa tsy natao sakana ireny noho ny fitiavana mivaivay ny taranja mozika. Ny fizorana miandalana hiazo ny sehatra maha matihanina no tanjona ho an’ity mpanakanto ity. Misokatra malalaka ho amin’ny fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana ho fampiroboroboana ny Rap gasy I Guste. Marihana fa nandalina ny lafiny fitantanam-bola “Finance” I Soanandrasana Augustinna ary manana ny marim-pahaizana “Maitrise”. Manohy hatrany ny Diany ny tovolahy !

Vous aimerez aussi