MPANAKANTO « DORIS » Manandratra ny « Miantsa », milalao gadona maroloko

Koko Andrisoa Remora, no tena anarany, mpanakanto Zanaky  Farafangana ny tovolahy. Misalotra ny solon’anarana hoe : « Doris » anatin’ny habaky ny hira sy ny mozika ary ny dihy izy. Anisan’ny sanganasa voalohany nentiny nambabo ny fankafizan’ny maro ilay vazo « Baly jiromena » Tanora resy lahatra ho amin’ny fanandratana avo ny mozika nentim-paharazana malagasy toy ny «Miantsa » izay fanao amin’ny fetin’ny maty « Diagodra » any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy i Doris. Ny «Miantsa » izay gadona anelanelan’ny « Tsapiky » sy ny « Kilalaky » Manana otrikarena maro tsy mbola voatrandraka tokoa mantsy ny tontolon’ny hira sy ny mozika nentim-paharazana malagasy fa mitady ho tanteraka amintsika ilay hoe : « Valalan’A… ka ny tompony aza tsy tia » no manahirana amin’ny fivoizana azy ireny indray eto an-tanàna ankehitriny. Ireo « Menasofina » (Teratany vahiny) no indro fa mitrandraka azy ireny hanjary « bizina » ho amin’ny tombontsoan’izy ireo manokana.

Tombony ho an’i Doris ny nandalinany ny tontolon’ny fikirakirana ny feo sy ny fahaizana mamorona tononkira omban’ny feony avy hatrany. Misandrahaka amin’ny lafim-piainana maro ny tononkirany. Havoitrany hatrany ny hoe « Tsy tokony ho resin’ny onjam-piainana isika Malagasy fa mila miatrika sy mitraka foana… » Ankoatry ny fiangalian’i Doris ireo gadona mihetsika tahaka ny « tsapiky », « zouk love », … mahafehy ny filalaovana ny gadona milamina « Slow » ihany koa ny tovolahy. Ambony apangan’ireo talenta voajanahary notovanana fandalinana ananan’ity mpanakanto ity ihany koa ny fahaizany mandihy sy manafana ny sehatra amin’ny alalan’ny fanaovana hatsikana eny antsefatsefam-potoana eny. Miangaly ny Haiady « Taekwondo » i Koko Andrisoa Remora. Andalam-piketrehana ny famoahana ny tsanganasany vaovao « Vagno eky ! » adika tsotra amin’ny hoe : « Raikitra ! » izy ankehitriny. I Sandra Koko, mpanakanto andriambavilanitra maro mpankafy eto Dago ireo sanganasany, izay anabavin’i Koko Andrisoa Remora no « Manager » n’i Doris ankehitriny.

Vous aimerez aussi