Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fizarana ny fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo mpamily taksibe, taksia ary ny resevera. Fanampiana izay nampanantenain’ny filohampirenena ho azy ireo amin’izao tsy fahafahany manohy ny asa fitadiavany izao ary tafiditra ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana izy ireo, satria, vao tonga teto amintsika ny valan’aretina coronavirus, dia anisan’ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana, ny tsy fahafahan’ireo taksibe, taksia, taksiborosy miasa sy mivezivezy eto an-drenivohitra, ho fisorohana ny tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity.
Mpamily taksibe 250, mpamily taksia 250 ary resevera 300 no nahazo izay fanampiana ara-tsakafo sy vola avy amin’ny filohampirenena izay. Ampahany voalohany ireto nahazo ireto, hoy ny fanazavana, fa amin’ity herinandro ity dia miditra amin’ny fizarana ny ampahany faharoa ny tompon’andraikim-panjakana. Nakasitraka ny fitondram-panjakana ireo izay nahazo ny fanampiana ara-tsakafo, hoy ny fanehoan-kevitr’izy ireo.