Ambohitrimanjaka, Bas Mangoky, Mampikony,…Ireo no anisan’ny misongadina amin’ny resaka raharaha ara-tany izay mbola mitana ny sain’ny Malagasy maro ankehitriny.
Tsy hanaiky lembenana
Manoloana izany indrindra dia nazava ny fanehoan-kevitra nataon’ny teo anivon’ny « Monde Justice » fa tsy hanaiky lembenana sy hamela ho vita mora ny trangana hala-tany sy fanaovana kely tsy mba mamindro amin’ireo mpiara-belona aminy izy ireo.
Tsy nijanona ho fanambarana fotsiny ihany izany fa narahin’asa avy hatrany. Koa tafapetraka eny anivon’ny Fitsarana malagasy ary efa mby eny anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena, araka izany, ny fitoriana nataon’ny fikambanana « Monde justice ».
Tàn-dalàna
Feo re ombieny ombieny tokoa mantsy tamin’ity Fitondrana ity ny hoe : « Tany tàn-dalàna i Madagasikara » koa inoana fa hanampy ny eo anivon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana izany ny fijoroan’ny « Monde Justice » fa tsy ho vato misakana akory. Tsy hijanona hatreo amin’ny resaka hala-tany fotsiny ihany ny sehatrasan’ny « Monde Justice » fa efa misandrahaka amin’ny fanaraha-maso akaiky ireo endrika tsi-fanarahan-dalàna sy fanambakana ary fanaovana kely tsy mba mamindro amin’ny alalan’ny fanaparam-pahefana izay tsapa fa nahazo vahana tokoa tato ho ato. Tongotra mby an-dakana, araka izany, ny an-dry zareo avy ao amin’ny fikambanana « Monde justice » ary basy atifin-kavana ka tsy afenina fa arangaranga ho amin’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny anatin’ny fanaraha-dalàna tanteraka.
