« MOLLOS PARK » Toeram-pikotranana sy fialamboly mahasondriana

Ampahany amin’ireo fotodrafitrasa misy ao amin’ny « Mollos park ».

Tsy lavitra, etsy Ampandrana, ampitan’ny « Cafe gasy », no ahitana ny « Mollos park ». Toerana tony, madio rivotra nefa miorina afovoan’Antananarivo. Samy hita eny an-toerana avokoa ireo fitaovam-pikotranana sy fitaizam-batana ary fialana voly toy ny Baby foot, billard, boule, zumba fitness, « i chavire – vole » sns. Ny « Mollos park » irery ihany koa no manana ny fotodrafitrasa takiana amin’ny fanaovana ny « Ninja warrior » eto Iarivo. Toerana mety sy mendrika hanatanterahana fihaonana anivon-javaboahary toy ny fivoriam-pianakaviana, mpiara-miasa, mpianatra, ihany koa ny « Mollos park » etsy Ampandrana. Tsy ireo tanora ihany fa samy tsy misy diso anjara amin’ny fisian’ireo foto-drafitrasa eny an-toerana ny sokajin-taona rehetra izay mahatsapa fa mila koloina mandrakariva amin’ny alalan’ny fialam-boly sy ny fanaovana fanatanjahatena sahaza ny vatana ny fahasalamana. Marihina fa misy ireo Olombelona niofana manokana momba ny fanaraha-maso ny fanaovana ireo fitaizam-batana ao amin’ny « Mollos park ». Voatokana ho an’ireo fianakaviana, orianasa, na vondron’olona maniry hanatanteakla fihaonana amin’ny endriny marolafy, ny eny an-toerana rehefa andro Alahady.

Maniry ny mba hitondran’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahatena, ireo fikambanana mitaiza tanora, orinasan-tserasera sns fanampiana mba ho fanatsarana hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ny « Mollos park ». Ilaina tokoa mantsy ny fisian’ny foto-drafitrasa sy ny toerana tahaka izao hiadiana amin’ny fidonanam-poana sy ny fidorohana zava-mahadomelina, fijangajangana eo amin’ireo tanora ary banja malalaka ho amin’ny fifanakalozana mahasoa ihany koa ny toerana tahaka itony. Hanatanteraka « Varavarana misokatra » ho an’ny rehetra ny « Mollos park » ny tontolo andron’ny Alahady ho avy izao.

Vous aimerez aussi