Anio no hanomboka ny famotorana sy fanadihadiana ireo miaramila nitifitra namono olona, nanolana vehivavy, nangalatra sy nandroba, nandratra, nanararao-pahefana,…tamin’ny mponina.
Toe-javatra mampalahelo tokoa satria ny natao hanirina indray no nampivandravandra. Natao hampandritany tany Beravina, Ambalamidera sy Isandra, Bemahatazana Tsiroanomandidy,…araka ny iraka nampanaovin’ny fanjakana izy ireo, ny alahady lasa teo, kanefa dia izao habibiana izao no nataon’ny sasany tamin’izy ireo.
Endrika iray manamarina ny fahalaviran’ny fandriampahalemana eto amintsika izao toe-javatra izao. Maro ny fitondrana nifandimby saingy tsy nisy nahafehy loatra ny tsi-fandriampahalemana teto. Mainka aza niroborobo izany satria mirotsaka an-tsehatra amin’ny asa ratsy ihany koa zao ny mpitandro filaminana
1000 isan-taona no maty
Araka ny tatitry ny Zandarimariam-pirenena farany teo dia sahabo ho 1.000 isan-taona eo ny isan’ny olon-tsotra maty vokatry ny tsi-fandriampahalemana. 80 isa kosa ny isan’ny zandary.
Na dia tsikaritra aza fa miha-vitsy ny fitaovam-piadiana mahery vaika ampiasain’ireo jiolahy dia mitombo isa kosa ny isan’ireo lasibatra mamoy ny ainy.
Manao ny asany hatrany anefa ireo mpitandro filaminana manara-dalàna ka nahatratra eo amin’ny 932 eo ireo olona mpanao ratsy voasambotra nandritra iny taona lasa iny. Ary anisan’izany koa ireo mpitandro filaminana voarohirohy amin’ny asa ratsy.
Fahantrana
Araka ny famotorana sy fanadihadiana dia noho ny tsy fananana asa sy ny fahantrana no mampiroborobo ny tsi-fandriampahalemana eto an-toerana. Hoy manko ny dahalo niova fo iray hoe: tsy ampy na tsy misy mihitsy ny tany azo asaina ka tsy maintsy miroso amin’ny halatra izy ireo, ahazoany mamelo-tena sy mamelona ny ankohonany.
Miantraika amin’ny daholobe ny fahantrana. Hany ka tsy miaro ny olona sy ny fananany intsony koa ny mpitandro filaminana sasany fa miroso amin’ny asa ratsy samihafa.
Ramanana
Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.