MISS MADAGASCAR : Hametraka fitoriana raha…

Velon-taraina ireo tovovavy tsara bika aman’endrika na ireo « Miss Madagascar » voafidy ny taona 2015, 2017, 2019, noho ny antsojay mihatra amin’izy ireo, ka namborahany ny alahelony ampahibemaso.

Anisan’ny nandiso fanantenana azy ireo ny tsy mbola nahazoany ny loka tokony ho zony, ary indrindra ny familafilana azy amin’ny asa tokony hataony sy ny tombontsoany avy, hoy Ranto Harisoa Christiana (2015).

Hatramin’ny nahazoan’izy ireo izany anaram-boninahitra izany dia tsy mbola nisy nataon’ny komity azy ireo. Tsy nisy ny fifanarahana an-taratasy ara-dalàna natao fa resaka am-bava fotsiny ihany no nifanaovana ka tsy afaka nisitraka ny zo tokony ho azony izy ireo. Anisan’izany ny tokony handehanan’i Njara Windye Houarris hiatrika ny « Miss Monde » any ivelany, saingy nasolo ny laharana faharoa na ny 1ère dauphine indray ny tenany.

Misy aza ny fandrahonana mahazo azy ireo sy ny fakana mihitsy ny samboady izay tokony ho fananany.

Ho an’i Valérie Anne Binguira kosa dia kely dia kely ny loka azony ary takiany, ankehitriny, ny handraisany anjara amin’ny « Miss Monde », izay hatao any Londres. Ilaina anefa ny fankatoavan’ny komity izany vao afaka mandeha izy.

Toa voafetran’ity komity ity avokoa ny hetsika tokony hataon’ireo tovovavy ireo. Noho izany dia manome fe-potoana 5 andro an’ity komity ity izy ireo mba hanomezana ny zony. Raha dila izany ka tsy misy ny valiny ara-dalàna dia hampakatra ny raharaha eny anivon’ny manam-pahefana izy ireo.

Vous aimerez aussi