MINISTRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA “Aoka tsy hatao sorona ny marary”

Ny fifampiresahana an-databatra boribory ihany no vahaolana hamahana ny olana raha misy ny fitakiana hataon’ireo mpitsabo mpanampy sy ny sendikan’ny Paramed, hoy ny ministry ny fahasalamam-bahoka. Anisan’ny ministera lehibe amin’ireo ministera misy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, koa raha misy ny olana na/sy hetsika fitakiana na/sy fitokonana, dia tokony mifampiresaka mba hijerena ny vahaolana amin’izany, hoy hatrany ny ministra. Niantso ireo mpitsabo mpanampy, ny sendikan’ny Paramed ny tenany mba handray ny asa mifanandrify azy ireo, fa aoka kosa tsy ho voasarika any amin’ny hetsika fitokonana, hoy izy. “Aoka tsy hatao sorona ireo marary”, hoy ny ministra. Milaza ny hanao fitokonana manerana ny nosy mantsy ireo mpitsabo mpanampy sy ny sendikan’ny Paramed ireto nanomboka omaly, izay voalaza fa mamofompofona politika ny hetsika hataon’izy ireo.

Vous aimerez aussi