MAMIE GAGAH Milalao gadona maroloko

Randrianambinintsoa Mamie Franck, no tena anaran’ny tovolahy, zanaky Toamasina, ary mitondra ny solonarana hoe : Mamie Gagah eo amin’ny sehatry ny filalaovana ny mozika.

Teo amin’ny faha-12 taonany i Mamie Gagah no efa hitan’ny maro taratra fa mankafy ary manam-pitiavana manokana ny mozika. Mampiavaka ny tovolahy, ilay fananana feo migobona voajanahary, nefa afaka mananika ny avo ao anatin’ny antanatoham-peon’ny hira sy ny mozika. Manavia manavanana amin’ny fifehezana ireo fizaran-gadona miisa roa eto ambany masoandro dia ny “milamina” sy ny “mihetsika” i Mamie Gagah. Ironany kokoa anefa ny mozika tropikaly toy ny “Afro beat”. Ho an’I Mamie Gagah, ankoatry ny maha mpizara hafaliana sy haravoana dia tokony ho mpitondra hafatra avy any anatin’ny fiarahamonina sy mpisakelika fanabeazana mahasoa ho an’ny rehetra ihany koa ireo misalotra ny anarana hoe : “Mpanakanto”. Izy izay haanana amin’ny famoeronana tononkira ihany koa Anisan’ny dingana manaraka hiorosoan’i Mamie Gagah ato ho ato ny fampiarakam-peo miaraka amin’ireo mpanakanto zokiny. Mialoha io, efa tazana sy heno eny aivon’ireo fitaon-tserasera ny vazo “Mampangoeny” sy ny “Aleo mifampi-tsodrano”. Samy narindra amin’ny gadona mihetsika. Mpanakanto misokatra malalaka amin’ny asa fampandrosoana hatrany ny mozika Malagasy I Mamie Gagah.

Vous aimerez aussi