Ny hampiara-dalana hatrany ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana ahafahana mamolavola taranaka malagasy « vanona » ho afaka miatrika ny hoaviny hamiratra tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy noho izy ireo efa mahalala ny andraikitra sy ny adidy miandry azy. Io no antom-pisian’ny « Makoto school » miorina etsy Analamahitsy (Ampitan’ny supermaki).
I Hasimiarintsoa Rova Mendrika sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky no angady nananana sy vy nahitana ny « Makoto school ». Ity farany izay nandalina manokana ary nahazo ny marim-pahaizana momba ny fahalalana ny kolontsaina sy ny fifehezana ny fomba fampianarana ny fiteny japoney tany Japon. Ny fiteny anglisy sy ny japoney no teny ampiasaina hampitana ny fanabeazana ombam-pampianarana eo anivon’ny « Makoto school Analamahitsy. Manaraka ny fandaharam-pianarana nofaritan’ny Minisitera miahy ny fampianarana eto Madagasikara ny tolotra omen’ny « Makoto school » fa ny fomba fampitana izany amin’ireo « beazina » (Kilonga madinika) eo anivon’ny « Préscolaire » sy ny « Primaire » no nasiana fanatsarana amin’ny alalan’ny fampiasana ny fomba fampitam-panabeazana sy fampianarana norantovin’ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny « Makoto school » tany Japon ary ny fampiasana ny teknolojia. Miampy ny fifaneraserana ombana fifanakalozana amin’ireo teratany Japoney monina eto amintsika. Manana tombony afaka handalim-pahaizana ombam-pahendrena any Japon ireo mpianatra eo anivon’ny « Makoto school » noho izy ireo efa mahafehy ny kolontsaina sy ny teny japoney, hoy i Rova. Maro amin’ireo fomba fiaina andavanandron’ny Japoney rahateo no afaka hanatevenana ny soatoavina malagasy ary ahafahana amolavolana « Olom-banona » hoy hatrany ny talen’ny « Makoto school ». Anisan’ny toe-tsaina tsara alaina tahaka amin’ireo vahoaka Japoney ny fitiavan-tanindrazana, ny fanetre-tena ary ny fanajana ny fitsipi-pifehezana izay efa ampitaina amin’ireo mpianatra eo anivon’ny « Makoto school » Ny soa fianatra, hoy isika Malagasy. Tsy midika ho fanariana sy fanaovana an-jorom-bala ny maha malagasy akory izany. Marihana fa tolorana fahalalana momba ny kolontsaina malagasy sy ny soatoavina raiketin’ireo fomba amam-panao malagasy ihany koa ireo « mibea » eo anivon’ny « Makoto school » Analamahitsy. Tanteraka tokoa, araka izany, ilay hoe : « Malagasy mandroso fa mijanona ho Malagasy ». Aoka tsy hohadinoina fa tsy « varotra » ny seham-panabeazana fa asa masina ho amin’ny fitondrana anjara biriky ho fanefena ho « Olom-banona ». Mirary ny saram-pianarana eo anivon’ny « Makoto school ».
