“MADAGASCAR FILM FESTIVAL – ISSM AWARDS 2024” Miisa 75 ireo amboara ho atolotra

Ny andiany voalohany amin’ny fihaonana momba ny horonan-tsary na ny “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024” no hotanterahana, eny amin’ny Havoria Anosy, ny 26 ka hatramin’ny 30 martsa 2025. Hetsika izay karakarain’ny Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy na ny (ISSM) izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny 7 martsa 2025 ny fanombohan’ny fandefasana ny sanganasan’ny mpifaninana izay hizara telo samihafa ny fanasokajiana azy.

Ireo horonantsary izay vokatra efa nisy araka izany no hifaninana amin’ity fihaonana ity. Ireo horonantsary nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny taona 2024 no vokatra hotsaraina amin’ity andiany voalohan’ny “Madagasacar Film Festival” ity. Ny vokatra nivoaka tamin’ny taona 2000 ka hatramin’ny taona 2010 no hatambatra ka hiaraka hotsaraina. Avy eo dia ny vokatra tamin’ny taona 2010 ka hatramin’ny taona 2020 ary ny vokatry ny taona 2020 ka hatramin’ny taona 2024. Hozaraina amin’ny sokajy miisa efatra ny sanganasa hotsarain’ireo mpitsara amin’ity andiany voalohany ity. Eo aloha ny horonantsary fanadihadiana, ny tantara mitohy sy ny “fiction” ary ny “animation”. Mahatratra 75 ny isan’ireo amboara atolotry ny mpikarakara amin’ireo mpandray anjara ireo mandritra io dimy andro io. Ho hita amin’izany ny loka ho an’ny mpilalao sarimihetsika mahay sy ny tantara mahaliana indrindra. Araka ny fanazavan’ny talen’ny “ISSM”, Andriantseheno José Dominique, dia: “tanjon’ny fihaonana ny hanomezana lanja ny sinema malagasy sy ireo mpisehatra rehetra amin’io asa io.

Ankoatra izay dia hiezaka hanakaiky ireo mpilalao tantara sy mpamokatra amin’izany sinema Malagasy izany ny tomponandraikitra mpikarakara mba hisian’ny fifaneraserana. Fifandraisana amin’ny alalan’ny atrikasa ihany koa no antom-pisian’ny “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024”. Mpitsara misehatra amin’ny sarimihetsika no hitsara ny sanganasan’ny kandida tsirairay amin’ity fifaninanana fanomezan-danja ny vokatra malagasy ity. Anisan’ireo mason-tsivana hojerena araka izany ny lafiny tekinikan’ny sanganasa sy ny maro samihafa.”

Vous aimerez aussi