LOLITA RASOARIMANANA Misehatra amin’ny asa soa ho fampandrosoana

Lolita Rasoarimanana, anarana sy endrika tsy zoviana loatra intsony eo amin’ny sehatry ny fanaovana asa soa ho fanampiana ireo mpiara-belona mba hahafahan’izy ireo mihoitra ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Monina eny Ambohikely, Ambavahaditokana i Lolita. Ny dadabeny Rakotoarivony Théodore izay efa sefom-pokontany tao Loharanombato. Ramanatanana Donnat sy Rasoazanany Michele no Ray aman-dreniny. Ny Reniny efa nitarika ny fikambanam-behivavy, tao Ambohikely Ambavahaditokana ihany koa. Tinaiza ara-panahy, eo anivon’ny finoana protestanta i Lolita, ao amin’ny FJKM Ambohimamory Malala izy no mivavaka ary tao ihany koa no nanombohany nanovo fahalalana ombam-pahendrena tamin’ny androm-pahazazany. Nitohy tao amin’ny Kolejy Masiandahy Vincent de Paul izany izay nahazoany ny marim-pahaizana Bakalorea. Mnana ny marim-pahaizana momba ny fitantanana sy ny « marketing i Lolita Rasoarimanana. Izy no filoha mpanorina ny fikambanana VHL « Vonona Hibanjina ny Hoavy » izay mishatra tantaeraka amin’ny asa fanasoavana ireo mpiara-belona. Mahafehy ny teny malagasy ary mahafolaka tanteraka ny teny anglisy, frantsay, arabo. Mandraharaha ara-barotra eto an-toerana sy hatrany ivelany i Lolita Rasoarimanana.

Ny fahatsapana fa maro amin’ireo Zaza malagasy no tsy tafiditra an-tsekoly intsony noho ny fahantrana lalim-paka misy ankehitriny sy ny fahitana fa tsy mendrika ny Malagasy ny miaina anaty tontolo tsy zarizary toy ny tsy fahatomombanan’ny trano fonenana nohon’ny tsy fananana ny enti-manana ho amin’izany. Ireo no ampahany nanosika an’i Lolita Rasoarimanana tsy misalasala manatanteraka hatrany ireo asa sosialy maro be efa nataony sy mbola ho efainy tsy eto Analamanga ihany fa mipaka hatrany amin’ny faritra. Ampahany amin’ireo efa vita, hoy izy ny fivarotana fitaovam-pianartana amin’ny vidiny mora ho fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, fanatsarana sy fanamboarana ny lava-drano ao Amboatavo, fizarana fitafiana sy lamba firakotra ho an’ireo sahirana, fampitaovana ny tobin’ny Zandarimarim-pirenena ao Ambavahaditokana sy Ampitatafika, fanampiana ny fiangonana Jesosy Mamonjy, ao Amboatavo Itaosy ho fanatanterahana ny asa fanitarana, sns. Marihana fa anisan’ireo kandida nirotsaka ho fidiana ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana i Lolita Rasoarimanana izay namerina hatrany fa vonona ny hanao valibabena amin’ny ednrika fampandrsoaona ho an’ity Vohitra nahalatsahan’ny tavoniny ity izy ary misokatra malalaka ho amin’ny fiaraha-miasa mba hahafahana manatanteraka ireo vinanasa efa maty paika voarakitra anatin’ny fandaharanasany.

Vous aimerez aussi