LEHIBEN’NY FARITRA BOENY Nizara arovava ho an’ireo mpivarotra sy ny mpianatra tao amin’ny Notre Dame

Izay tsara fiomanana, tsy ho tapohin’ny loza…! Ho fanatanterahana ny tapaky ny fivorian’ny CCO Boeny ny alatsinainy 15 Jona lasa teo , ny amin’ny tsy maintsy hitondran’ny rehetra arovava sy orona manomboka anio  alarobia 17 Jona, dia nanatontosa hetsika fizarana io fiarovana io , ny Lehiben’ny Faritra Boeny mpisolotoerana, atoa Bazezy Vanombe Clavelah.  “Amin’ny maha – mpianatra ahy tao amin’ny sekoly  Notre Dame,  dia tao amin’io sekoly io, niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny  “Anciens élèves Notre Dame”  na ASND no nanombohana izany fizarana fanomezana arovava izany. Ka ireo mpianatra tao amin’ny kilasy faha-7 sy  faha-9 ary ny kilasy Famaranana  no nisitraka  ireto arovava sy orona ireto, niampy savony. Taorian’izay, dia nitohy teny amin’ireo toerana ahitana fifamezivezen’olona maro ny fizarana arovava sy orona nataon’ny Lehiben’ny Faritra Boeny. Ka ny Bazary Be tao Mahajanga be, ny Bazary Marolaka Analakely, ny Bazary Mahabibo, ny Bazary Tsaramandroso, ary ny Bazary Sotema, no nosafidiany sy ireo hery velona misy ao Mahajanga, toy ny  “Intiative d’Emérgence Madagascar” ny IEM Boeny ary ireo Skoto no nizarana izany. Nanentana ny vahoakan’i Boeny ny Lehiben’ny faritra mba samy hanao arovava sy orona. Tsy ho fahatahorana ny sazy, fa mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny tena sy ny an’ny hafa no hanaovana izany, hoy izy. Marihana fa fanomezana avy tamin’ireo malala-tanana no nahazohana ireo arovava sy  orona ireo ary mbola miantso ireo rehetra izay tsara sitrapo izy hanotolo-tanana amin’izany.

Vous aimerez aussi