Hametraka ny faritra Boeny ho fitaratra amin’ny ara-ekonomika sy ny ara-tsosialy ary ho “Boeny Misandratra”, ny lehiben’ny faritra mpisolo-toerana, atoa Bazezy Vanombe Clavelah Roslan. Nambarany, fa manana ny fandaharan’asa efa maty paika ara-ekonomia sy ara-tsosialy sy ny drafitra izay nahitana mpamatsy vola ny faritra Boeny, tamin’ny alalan’ny PRD na “Plan Régional de Developpement” sy ny SRATE na “Schéma Régional d’Aménagement de Territoire”. Ny PRD dia haharitra 10 taona ny asa atao amin’io ary mifanaraka amin’ny veliranon’ny Filohampirenena Andry Rajoelina sy ny IEM. Ny SRATE kosa dia manana ny vinan’asa, ka maharitra 20 taona ny asa, ka ny faritra Boeny no mametraka ny laminasa rehetra entina hampandrosoana ny faritra ary natao io mba hifanaraka amin’ny veliranon’ny Filoha, hoy ny lehiben’ny faritra mpisolo-toerana.
Mpiara-miombon’antoka
Araka ny fanazavana voaray, dia heritaona izao no nitantana ny faritra Boeny, ity lehiben’ny faritra mpisolo-toerana ity, nefa efa hita taratra sahady ny asa mivaingana sy ny fampandrosoana vitany. Ireo PRD sy SRATE ireo dia iarahana amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka toa ny “Coopération Allemande”, ka ny “projet” rehetra no vatsiany vola. Ny Pro-Sol kosa izay namolavola ny drafitra sy niantso ireo mpiara-miombon’antoka, ka nahafahana nanatanteraka ireo vinan’asa amin’ny alalan’ny PRD sy ny SRATE ireo.
Ny 18 Martsa 2020 ho avy izao dia hanao “Conférence des Bailleurs” miaraka amin’ny “Allemands” sy ny “Pro-sol” ary ny “Banque Mondiale” ny faritra Boeny hijerena ireo fampandrosoana ara-ekonomia sy ara-tsosialy ireo. Hisy endriny vaovao ny faritra amin’ny drafitra amin’ny alalan’ireo programan’asan’ny PRD sy SRATE ireo. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny faritra amin’ny mpandraharaha Malagasy toa ny Vitogaz. Ankoatra izay rehetra izay, dia efa vonona ihany koa ny mpandraharaha sinoa hamboly vary amin’ny velaratany mirefy 2500 hektara, ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, kaominina Katsepy.
Nijery ny sosialy
Ny mpandaharaha gasy dia hiara-hiasa amin’ny Afrikanina tatsimo, ka hametraka ny “logements sociaux”, izay hirosoana amin’ny tanàna vaovao, ahazoan’ny be sy ny maro trano mora, ka izy ireo no misitraka azy. Teo amin’ny lafiny ara-tsosialy dia nanampy tamin’ny fanampiana ny sakafo ireo traboina ny ONG sy ny farira Boeny. Dibo-drano mantsy ny faritra, tamin’ireo andro ratsy izay nandalo tany an-toerana. Ankizy miisa 3.000 no nomena kilalao. Ny fanjakana foibe kosa no nanampy tamin’ny ara-pitaovana. Fehiny, toromarika sy lamin’asa ary manaraka ny politikan’ny fanjakana foibe no hizoran’ny faritra Boeny amin’izao fotoana izao, mba hisian’ny tena fampandrosoana ara-ekonomika sy ara-tsosialy, hoy hatrany ny lehiben’ny faritra mpisolo-toerana. Mikasika ny tsy fandriampahalemana, dia efa nandray ny andraikiny manoloana izany ny mpitandro ny filaminana ary nahitana fihenany izany. Tsy nisy ny fanakanan-dalana tamin’ny RN4. Miezaka ny miaro ny vahoaka sy ny fananany hatrany ny zandary, polisy ary miaramila, izay miara-miasa amin’ny lehiben’ny faritra mpisolo-toerana.