« LEARNING AND MASTERY ACADEMY » Sekoly manomana tanora hiasa ao anatin’ny fotoana fohy

Anisan’ireo mandray anjara amin’ny “Salon vers l’emploi” tanterahana eny amin’ny “Hôtel Oriental International” Ankazomanga, izay nanomboka ny 23 ka hifarana ny 25 janoary 2025, ny “Learning and Mastery Academy”. Izy io izay sekoly iray manana ny foiben-toerany eny Andranovory-Ambolokandrina, nanomboka ny taona 2024 izay niorenany. Sekoly ahitana sampam-piofanana miisa 6 dia ny « Entrepreneuriat », « Dessin Technique & Devis », « Réseaux & Systèmes Informatiques », « Développement Web Moderne » sy ny « Graphic Design » ary ny « Robotique & Arduino ».

Mampiavaka ity sekoly ity ny fanomanana amin’ny alalan’ny fampianarana sy fanofanana ireo tanora hiasa ao anatin’ny fotoana fohy. Ny “Learning and Mastery Academy” izay mandray ireo mpianatra nahavita ny kilasy famaranana na tsy manana ny diplaomam-panjakana bakalorea aza. Vina apetrak’izy ireo ny hahatonga ireo tanora ireo ho matihanina eo amin’ny sehatry ny asa mifanaraka amin’izay manavanana azy ireo mialoha ny hitadiavana asa. Ny 1 febroary 2025 no hanatanteraka “Varavarana misokatra” eny Andranovory-Ambolokandrina, ny “Learniny and Masretery Academy”. Tanjon’izy ireo ny hampahafantatra misimisy kokoa ny sekoly.

Ny 3 febroary 2025 no fidirana mianatra ao amin’ny « Learning and Mastery Academy » ho an’ity taom-pianarana ity. Tonga maro tamin’ity “Salon vers l’emploi” ity ireo tanora noho ny fahafantaran’izy ireo fa tombony ho azy ireo ny hetsika tahaka izao. Manampy amin’ny fahafantarana ireo sehatrasa misy ny hetsika. Hahafantarana ihany koa ny sehatra momba ny fizarana asa sy ny fitadiavana asa, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny “Learning and Mastery Academy”, Rasolozakaniry Lanto Miaritiana.

Vous aimerez aussi