LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA Fihaonan’ny Fitondram-panjakana Malagasy tamin’ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena

Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha androany 21 oktobra 2021 ny fihaonan’ny Fitondram-panjakana Malagasy izay notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo solontena ara-diplomatika miasa eto Madagasikara ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Fotoana iray nafahan’ny Fitondram-panjakana nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireo. Nambaran’ny Filoham-pirenena nandritra ny fanokafana ity fihaonana ity fa maro ny vokatry ny fiaraha-miasa hatrizay no azo tsapain-tanana, na ara-toekarena na ara-tsosialy, sady sitrahan’ny vahoaka eo amin’ny fiainany andavanandro. Hirariana hoy hatrany ny tenany ny haharetan’izany sy hirosoan’izany haingana satria maro ireo tetikasa hiarahana manatanteraka.

Lohahevitra laharam-pahamehana maromaro no navoitra tamin’ity androany ity mba hahafahana miroso sy mahazo vokatra haingana sy azo tsapain-tanana ho an’ny fihatsaram-piainan’ny vahoaka malagasy. Anisan’izany ny kere any Atsimo, ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro araka ny fanamby napetrak’i Madagasikara, ary ny fanaovam-baksiny hiarovana ny vahoaka amin’ny COVID-19 mba hihatrehana am-pitoniana ny fisokafan’ny sisin-tany.

Manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’i Madagasikara dia niombom-peo ny Fanjakana Malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola fa ny fanampiana azo dia natao mba ho vonjy aina saingy ilaina ny mitady paikady sy vahaolana maharitra ahafahana miala tanteraka ao anatin’izany mihoatra ny maha vonjy taitra azy. Izany indrindra no nahatonga ny Fanjakana Malagasy hanafaingana ny fanatanterahana ny “Plan Emergence Sud” amin’ny alalan’ny ampahan’ny teti-bola eo am-pelan-tanany. “Maro ireo tetikasa ahafahana mamorona asa izay efa natombontsika na eo amin’ny sehatry ny fambolena na fiompiana, mba hahafahan’ny vahoaka miarina sy mihary ary indrindra mba haleo tena. Anisan’izany ny fanomezana tany sy masomboly ary biby fiompy azy ireo” hoy ny Filoham-pirenena. Tsy adinon’ity farany ihany koa ny nanentana ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, mba hifarimbona amin’ny Fitondram-panjakana ho enti-manatanteraka izany “Plan d’Emergence Sud” izany.

Teo amin’ny sehatry ny tontolo iainana kosa, ny fandraisan’I Madagasikara anjara amin’ny COP26 dia fotoana iray hahafahan’ny delegasiona Malagasy mampahafantatra fa ny 5% ny harena voajanahary maneran-tany dia hita eto Madagasikara avokoa. Havoitra mandritra io fotoana io ihany koa ny zava-misy eto an-toerana sy ireo harena voajanahary mampiavaka ny Nosy ary ireo tetikasa enti-miaro sy mitahiry azy ireo. Ankoatr’izay, ho takian’i Madagasikara ao koa ny fomba fampiasana ny “crédits carbone” araka ny tokony ho izy manerana an’izao tontolo izao, araka ireo paikady efa napetrany ho fikajiana ny tontolo iainana. Tokony ho fiaraha-mientana ara-drariny no enti-miady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fikajiana ary famerenana indray amin’ny laoniny ny tontolo iainana.

Momba ny fahasalamana kosa, nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa zo fototra izay hiadian’ny Fanjakana malagasy ho an’ny vahoaka manontolo izany. Izany no antony nirosoany tamin’ny fanaovam-baksiny faobe tamin’ny alalan’ny tambazotra COVAX. Ny Minisiteran’ny Fahasalamana rahateo tsy mitsahatra manamafy ireo hetsika izay efa natombony hanentanana ny vahoaka amin’ny ady amin’ny Covid-19. Namafisin’ny Filoham-pirenena teny am-pamaranana fa manana anjara toerana lehibe ireto mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireto amin’ny fiarahan’izy ireo mientana amin’ireo mpitondra foibe na ifotony amin’ireo sehatra telo noresahana androany sy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Manomboka izao, hotanterahina isaky ny enim-bolana ny fihaonana eo amin’ny solontenan’ny Governemanta Malagasy sy ireto mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’i Madagasikara ireto mba hahafahana manombana sy manao jery todika ireo tetikasa efa natomboka.

Vous aimerez aussi