Araka ny fanambarana nataon’ny filohampirenena, ny alatsinainy alina lasa teo, dia niampy 3 indray ireo olona voan’ilay aretina coronavirus. Nandeha tamin’ny sidina farany teo izy ireo ary avy any Toamasina sy Fianarantsoa avokoa. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia 46 ireo olona ahiana ho mitondra ity tsimok’aretina ity amin’izao fotoana izao, araka ny tatitra voaray ihany. Fitiliana voamarina teny amin’ny “Intstitut Pasteur” avokoa ireo antontan’isa voaray ireo hatreto. Na izany aza dia efa misy ny fanarahamaso ataon’ny dokotera sy ny mpitsabo amin’ireo olona mitondra ny valan’aretina ireo. Ankoatra izay dia nilaza ny filohampirenena, fa haparitaka manerana ny nosy ireo laboratoara hitiliana ireo olona ahiana ho mitondra ity soritr’aretina ity ary hanafaingana ihany koa ny fizaham-pahasalamana ireo olona mitondra izany.
Vous aimerez aussi
FANJA N°1 ANDOHARANOFOTSY « Ny fahantrana no fahavalo iombonana… »
« Vinam-pampandrosoana efa maty paika mamaly ireo filan’ny mponina mifototra amin’ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny...DR NAINA – AMBOHIMANGAKELY Vonona hanohy ireo asa fampandrosoana…
Dokotera Naina, mitondra ny laharana faha- 05 anatin’ny Biletà tokana ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy...FANAMPIANA IREO MANA-MANJO Amperinasa ny « Maison funéraire Henikaja »
Ho fanampiana sy fanaimavanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny famoizana havana ary koa ho fanatanterahana...