« LA ST’ART PROJECT » Hamelatra ireo sehatrasany

Ny taona 2019 no nananganan-dRazafindralambo Tsilavina « Tsitsi » ny « La St’Art Project » Misehatra amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo…, ary misandrahaka hatrany amin’ny fanaovana asa soa toy ny fizarana fanampiana (Sakafo masaka, akanjo…) ho an’ireo tena sahirana.

Tsy hijanona hatreo amin’ny famokarana rakitsary sy ny fikirakirana ny feo (Fandraisam-peo) ary ny fanatanterahana ny « La main d’aide » anarana nasalotra ny hetsika fanampiana ireo sahirana ny sehatrasanay eto anivon’ny « La St’Art Project », hoy Razafindralambo Tsilavina fa hisandrahaka amin’ny fikarakarana hetsika goavana ara-kolontsaina toy ny fanatontosana fampisehoana lehibe amin’ny endriny tsy mbola fahita teto an-tanàna hatramin’izay ihany koa izahay amin’ity taona vaovao ity.

Tsy mitsahatra ny mikaroka ny raitra sy ny kanto hatrany amin’ny famokarana rindran-tsary « Clip » ny « La St’Art Project » amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny vanimpotoana sy ny fahaiza-manao amin’ny fifehezana azy ireny. Tombony ho an’i Tsitsi amin’ny fantanterahana ny asany ny efa nilonany an-taonany maro tao anatin’ny fikirakirana ny mozika. « Banga be ny fiainako raha tsy misy mozika », hoy izy. Anisan’ny tolotra vaovao ho an’ny « La St’Art Project » amin’ity taona ity ny fandraisana an-tanàna ny mpanakanto miainga amin’ny famokarana ny rindran-tsary ombam-peo « Clip » mandalo amin’ny fomba hanapariahana izany ary mipaka hatramin’ny fanatontosana fampisehoana sy ny pitsopitsony ara-teknika manodidina izany.

Tanjona, hoy Razafindralambo Tsilavina ny hanomezana fahafaham-po feno ny filan’ireo mpanjifa manantona ny « La St’Art Project ». Marihana fa maro be ireo mpanakanto avy amin’ny faritra no efa niara-niasa tamin’i Tsitsi. Tsy matahotra fifaninanana ny « La St’Art Project » ary samy mahazo ny tolotra manandrify azy avokoa ireo mpanakanto vao misandratra na ireo efa manana ny lazany. Izy ireo izay malalaka amin’ny safidim-pony ho amin’ny fomba hanatontosana ny rindran-tsary ombam-peon’izy ireo avy.

Vous aimerez aussi