KIANJA MASOANDRO ETSY ANATIROVA Fikambanana 12 no indray nitory

Fikambanana miisa 12 no niara-nametraka fitoriana mikasika ny fananganana ny Kianja Masoandro, izay kasaina haorina etsy Anatirova, androany.

Vontoatin’ny fitoriana ny fanimbazimbana ny vakoka. Eo ihany koa anefa ny tsy fanarahan-dàlana samihafa.

Anisan’ny navoitran’ny Mpisolovava Jacques Rakotomalala tamin’izany ny tsy fisian’ny fahazoan-dàlana manorina na ny « permis de construire »-n’io kianja io, izay tokony ho hita mazava eo mandritra ny fotoam-pananganana.

Tsy ara-dalàna ihany koa ny komity siantifika satria tsy misy ny kahie azon’ny olona jerena.

Tsy misy ihany koa ny fanadihadiana ara-tontolo iainana kanefa mihorohoro ny mponina amin’iny faritra ambony iny isaky ny fahavaratra satria efa malezolezo ny toerana.

Fikambanana 12, noho izany, no manohitra ny fanohizana ity Kianja Masoandro ity, ka nametraka fitoriana eny anivon’ny Filankevi-panjakana ka mitaky ny hampitsaharana ny asa.

Takian’izy ireo ihany koa ny famoahana mazava ny antsipirihan’ny tetibola ampiasaina sy ny lisitr’ireo komity siantifika ampiasaina eny.

Maro moa ireo Fikambanana samihafa izay miaro ny vakoka malagasy no tsy mankasitraka velively ity asa fanamboarana ity na dia teo aza ny fitondrana olona samihafa nandresy lahatra momba izany tao amin’ny fahitalavitra.

Dia andrasana izay mety ho tohin’ny tantara !

Vous aimerez aussi