KAOMININA TANJOMBATO Roso amin’ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana marolafy

« Tsy misy andraso andraso ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana nosoritana sy nampahafantarana ireo mponina, anatin’ny fokontany miisa dimy mandrafitra, ny Kaomnin’ny Tanjombato, nandritra ny fampielezan-kevitra », hoy ny ben’ny Tanàna vaovao Rakotoniaina Fréderic, izay avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara ary notahanan’ny Vondrona Firaisankina.

Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanolorana fiofanana arakasa maimaim-poana ho an’ireo Tanora izay maroanisa eny an-toerana hanampiana azy ireo amin’ny fikarohana asa fivelomana maharitra. Ho hamafisina ihany koa ny lafiny fampandriana fahalemana an’ny Tanjombato. Ankoatry ny fiaraha-miasa efa misy hatramin’izay amin’ireo Polisy nasionaly dia ho hetsehana ihany koa ireo Polisy Kaominaly. Marihana fa anisan’ireo lasibatra matetika amin’ny asa ratsin’ireo mpanendaka ireo mpiasan’ny Orinasa afakaba eny Tanjombato rehefa mirava ny hariva.

Hafainganina ny fikarakaran’ny mponina ireo antontan-taratasy eo anivon’ny Kaominina ary nomarihan’ny ben’ny tanàna Rakotoniaina Fréderic fa hampiasa paikady vaovao izy ireo iarovana ny mety hisian’ny fampiasana taratasy hosoka sy hiadiana amin’ny kolikoly ary iarovana ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Tanjombato. Tsy ho hadinoina ny fanampiana ireo mpisehatra amin’ny Fanatanjahatena toy ny fanorenana kianja sy ny ara-pitaovana ary ny fanamafisana orina ny firaisankina eo amin’ireo mpikatroka ara-panatanjahatena. Raha tsiahivina, anisan’ireo mpikatroka ara-panatanjahatena sy mpitaiza ary mpitarika fikambanana tanora ny ben’ny Tanàna Rakotoniaina Fréderic. Eo amin’ny lafiny fanabeazana, ho jerena manokana ny fanavaozana na fanamboarana ireo efitrano fianarana mila izany. Nanombohana ny asa ho an’ny eo anivon’ny Kaominina Tanjombato, ny faran’ny herinandro teo ny fanalana ireo fako nisavovona teny anivon’ireo fokontany miisa dimy. Na eoa aza ny olana noho ny fahadsimban’ireo fitaovam-pitaterana ireo fako, hoy ny ben’ny tanàna dia fanamby tsy mainsty hotanterahana ny asa fanadiovana an’ny Tanjombato ; Inoana, araka ziany, fa hahay- hikajy ny fahadiovana izay antoka iray hananana fahasalamana ireo mponina eny an-toerana rehefga tontsoa avokoa ny fanalana ireo fako. Nohamafisin’ny ben’ny tanàna Rakotoniaina Fréderic hatrany fa misokatra amin’ireo tsara sitram-po sy sokajin’olona rehetra vonona ny hifanome tanana ho ami’ny fampandrsoaona ny Kaominina Tanjombato ny tenany.

Vous aimerez aussi