Fréderic Rakotoniaina, fantatry ny mponin’ny Tanjombato amin’ny hoe : « Président Naina » Monina ao Tongarivo Ambaniatsimo, ny taona 1970. Mandraharaha eo amin’ny sehatry ny varotra sy mpanafatra entana avy any Dilambato. Miara-miasa akaiky ihany koa amin’ireo Mpandraharaha maro eto an-drenivohitra. Mpanabe sy mpitaiza tanora ary misehatra amin’ny taranja baolina kitra sy ny haiady i Fréderic Rakotoniaina. Maro ireo tanora tinaizan’ny Président Naina no efa milalao amin’ireo klioba lehibe any ampita tahaka ny any Maurice, Seychelles, La Reunion, Frantsa, sns ankehitriny. Izy no Kandidà natolotry ny Antoko Tiako i Madagasikara ary tohanan’ny Vondrona firaisankina hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolon-tsain’ny Tanàna. Mitondra ny laharana fahatelo anatin’ny Biletà tokana.
Ho famaliana ny hetahetan’ireo mponina eto Tanjombato izay miandrandra fatratra fampandrosoana sy fanovana hahafahana mizotra amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Ho valibabena ihany koa ho an’ny Tanjombato izay azo ambara ho Vohitra nahabe an’ny Président Naina. Ireo no nanosika ahy tsy hiambahamba hilatsaka ho fidiana Ben’ny Tanàna, hoy i Président Naina.
Laharam-pahamehana ho azy ny fanorenana ivon-toerana fampiofanana arakasa ho an’ireo Tanora noho i Tanjombato ahitana orinasa maro manodidina ny telopolo isa eo ho eo.
Tsy ho hadinoina ireo Tantsaha mpamboly sy mpanajary an’i Betsimitatatra izay ao andrefan’ny Tanjombato fa hisy ny fanamboarana ireo fefiloha simba mba hahafahana mifehy ny rano takian’ny asa fambolem-bary eny an-toerana. Eo amin’ny lafiny fanabeazana, hisy ny fandrsiihana ireo ankizy sy tanora ho tia fianarana. Hotolorana fampitaovana ireo mpianatra amin’ny fotoana fidiran’ny sekoly. Ho tolorana marim-pankasitrahana ihany koa ireo mpianatra mendrika nandritra ny taom-pianarana. Hisy ny fitsaboana maiamam-poana ho a n’ireo sahirana sy Zokiolona ho fitsinjovana azy ireo. Hamafisina ny lafiny fandriampahalemana anisan’ireny ny fametrahana ireo jiro manazava ny elakelan-trano sy ny fanatevenana ny fiaraha-maiasa amin’ireo mpitandro ny filaminana. Ny hanatanteraka ireo hetahetan’ireo mponina liam-pandrosoana ao Tanjombato no fanamby apetrako, hoy i Président Naina. Azo inoana ny hahatanteraka izany noho i Fréderic Rakotoniaina Olon’ny asa sy be fikirizana ary manakina ny fiainany mandrakariva amin’Andriamanitra. Manentana hatrany ireo mponin’ny Tanjombato izy mba handeha hifidy amin’ny 11 Desambra ary ho mailo mandrakariva amin’ny fiarovana ny safidy manoloana ny teti-dratsin’ireo efa zatra ny lalan-dririnina.