Ranirison Rija, Zanaky Bongatsara zato isan-jato avy amin’ireo nahitany masoandro (Rainy sy ny reniny). Eo amin’ny lafiny finoana, Diakona ao amin’ny FJKM Anjomakely Fitiavana izy mivady. Mpandraharaha eo amin’ny lafiny fitaterana sy ny sehatry ny asa volamena ary misehatra mavitrika amin’ny asa fambolena sy ny fiompiana ihany koa i Rija Ranirison. Olombelona mamy hoditra anivon’ny fiarahamonina misy azy eny Bongatsara ny lehilahy, noho izy tia mitakosina sy manampy ireo mpiara-belona aminy. « Tonga ny fotoana handraisana an-tanana amin’izay ny fitantanana ny Kaominina Bongatsara mba hahafahana mitondra fampandrosoana marolafy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fangaraharahana sy ny fahitsiana eo amin’ny fanatanterahana ireo asa eo anivon’ny kaominina Bongatsara », hoy i Rija Ranirison. « Tanàna mirindra, fiarahamonina mifampitsinjo » rahateo no anisan’ireo teny filamatra ho an’ny lehilahy.
Izy no Kandidà ben’ny tanàna, natolotry ny Antoko Tiako I Madagasikara ary tohanan’ny vovonana firaisankina, mitondra ny laharana faha-efatra, anatin’ny Biletà tokana, ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana, ny 11 desambra ho avy izao. Fanamby goavana napetrak’i Rija Ranirison ho an’ny mponin’ny Bongatsara ny tolotra hanana kalitao tsara sy haingana mba ho fitsinjovana ireo manan-draharahara eo anivon’ny Kaominina eny an-toerana. Nanteriny hatrany ihany koa fa hangarahara ny lafiny fitantanana eo anivon’ny Kaominina Bongatsara. Anisan’ny entina hanamorana ny fanatanterahana izany ny fanomezan-danja ny « fakan-kevitra ifotony » mialoha ny hanapahan’ireo Mpanolontsain’ny tanàna. Iray zotra amin’izany ihany koa ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo fokontany miisa fito ao amin’ny Kaominina Bongatsara. Hatsangana eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna ny ivon-toerana « fakan-kevitra » ho an’ireo manandraharaha eo anivon’ny Kaominina sy izay rehetra mila izany toy ny lafiny fananantany, fiarovana sy fiahiana ireo vehivavy sy ankizy ary ireo marefo mety iharan’ny herisetra.
Manana drafim-pampandrosoana efa maty paika ary mamaly ny filan’ny mponina ao Bongatsara i Rija Ranirison noho izy Zanaky ny Tanàna.Tsongaina amin’ireny ny fijerena manokana ny lafiny fanabeazana toy ny fanatsarana ombana fampitaovana ireo Sekoly misy ao Bongatsara sy ny ezaka hatao ho fanampiana ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fanolorana fampiofanana azy ireo. Miara-dalana amin’ireo ihany koa, hoy i Rija Ranirison ny fanamafisana ny lafiny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fametrahana ny « Andrimasom-pokonolona » na « Comité de vigilance » sy ny fampitomboana ireo jiro an-dalambe ho fanazavana ny tanàna. Tsy hohadinoina ihany koa ny fanampiana ireo Tantsaha mpamboly sy mpiompy eny Bongatsara amin’ny lalalan’ny fampiofanana azy ireo hahafahana manatsara ny kalitaom-bokatra sy mampitombo izany. Hisy ihany koa ny fikojakojana ireo tohadrano sy ny lakandrano ary ny fampitaovana ireo tantsaha toy ny masomboly, zezika, sns. Hamafisina ny asa fanadiovana sy fametrahana ny drafim-pandaminana ny tanàna (plan d’urbanisme) Hisy ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra eo amin’ny fiahiana ara-pahasalamana ny mponina eny Bongatsara.
Azo atao tsara ny manatanteraka ireo asa fampandrosoana ireo amin’ny fampiharana ny fangaraharahana eo amin’ny lafiny fitantanana ireo vola anatin’ny Kaominina azo avy amin’ny haba, hetra, sns) sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe ary ny fiaraha-miasa amin’ireo tsy miankina sy ny fiaraha-mientana amin’ireo mponin’ny Bongatsara, hoy hatrany i Rija Ranirison. Miandrandra fifidianana madio sy mangararahara ary malalaka ity kandidà ity.