KAOMININA ARIVONIMAMO Manome lanja ny asa fanabeazana…

Mpianatra nahazo ny salan’isa enina ambiny folo hatramin’ny valo ambinifolo amin’ny roampolo tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary ny Bakalorea izay nahazo ny mentions  « très bien » sy « bien », natao tamin’ny taom-pianarana 2023 lasa teo iny, miisa telo ambiny telopolo, no notoloran’ny Kaominina Arivonimamo, tamin’ny alalan’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Manoa Vincent de Paul, fanomezana toy ny cahiers, penina, tablette, sns… Tsy nohadinoin’ny teo anivon’ny Kaominina Arivonimamo ihany koa ny nanolotra takelam-pahatsiarovana mirakitra fankasitrahana « Tableau d’honneur » ho an’ireo sekoly niavian’ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinam-panjakana. Ny talata 25 jona dila teo, tao amin’ny Tranom-pokonolona Arivonimamo no nanatanterahana izany. Tanteraka ny hetsika tahaka izao noho ny fampiharana amin-kitsim-po ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha tsy miankina izay mahatsapa fa zava-dehibe loatra ho an’ny hoavin’ny firenena ny fananana tontolom-panabeazana mirindra sy milamina.

Voaporofo indray, araka izany, fa tsy manao ho ambanin-javatra ny lafiny fanabeazana ny eo anivon’ny Kaominina Arivonimamo. Nanamarika hatrany ihany koa ny ben’ny tanàna amperin’asa ankehitriny fa antoka hisian’ny tena fampandrosoana ny fanomezana hasina sy tolo-tanàna ny sehatry ny fanabeazana sy fampianarana. Azo ambara ho fanohizana ireo ezaka rehetra ahafahana manampy sy mandrisika hatrany ireo Zanak’Imamo amin’ny fiatrehana sy famitana ny fianaran’izy ireo ny tahaka izao. Raha tsiahivina, tokoa mantsy, efa misy hatrany ny fanolorana fampianarana maimaimpona iantsorahan’ny Kaominina Arivonimamo ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Ankoatry ny sehatry ny fampianarana ankapobeny, misehatra amin’ny fanolorana fiofanana arak’asa avy hatrany tahaka ireo hisetra amin’ny lafiny informatika, haify, fambolena, fanamboarana savony, sns ihany koa ny avy eo anivon’ny Kaominina Arivonimamo. Anisan’ny tanjona amin’izany ny hampihenana ny tahan’ireo tsy anasa sy ny fampidirana ireo mpisehatra anatin’ny sehatra manaraka ny fenitra. Paikady entin-dRandrianarisoa Manoa Vincent de Paul, ben’ny tanànan’Arivonimamo ho enti-mampandroso ny Kaominina izay tantanany ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny maha-olona ny tsirairay toy ny fampananan’asa, fiahiana ny fahasalamana, sns. Rehefa ny isam-batan’olona no afaka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny asa fampandrosoana dia hiadana sy ho finaritra tokoa ny Malagasy. Samy nahazo ny manandrify azy amin’ireo asa fampandrosoana sahaza azy avokoa, araka izany, ireo fokontany miisa telo ambiny folo, mandrafitra ny Kaominina Arivonimamo. Singanina amin’ireny ny asa fanamboaran-dalana mirefy telompolo kilometatra, fampidirana jiro sy rano fisotro madio ary ny fanamafisana ny lafiny fandriampahalemana tamin’ny alalan’ny fanorenana trano manokana ho an’ireo mpitandro ny filaminana mba ahafahan’izy ireo manakaiky kokoa ny Vahoaka andriamanjaka.

Hitohy ny Sabotsy maraina hoavy izao, ao amin’ny biraon’ny Kaominina Arivonimamo, amin’ny alalan’ny fanatanterahana didimpoitra faobe ho an’ireo ankizy miisa dimampolo ny hetsika fiahiana ara-tsosialy ireo mponina, izay ny ben’ny tanànan’Arivonimamo sy Ramatoa vadiny, no angady nananana, sy vy nahitana ity hetsika ity.

Vous aimerez aussi