KAOMININA AMPITATAFIKA Mangataka amin’ny fanjakana ny hampiakarana ny vola fanampiana ho Ar 50 tapitrisa

Mangataka ny vola fanampian’ny fitondram-panjakana ny kaominina mba hampiakarana ho Ar 50 tapitrisa ny ben’ny tananan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, na mahavita izay tokony ho vitany aza ny vola fanampiana ho an’ny kaominina, ankehitriny. Tanjona ny mba hifanoloran-tanana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny kaominina rehetra no sady hijerena ihany koa ny mponina sy ny mpiasan’ny kaominina. Manana ny anjara toerany be dia be ny lafiny mahaolona eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Antony nametrahan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika ho Ar 4 hetsy ariary ny karama farany ambany indrindra ho an’ireo mpiasan’ny kaominina Ampitatafika amin’izao fotoana izao. Mba hampihodinana hatrany ihany koa ny fitantanana ny kaominina. Ankoatra ny fanampiana omen’ny fitondram-panjakana ny kaominina dia miezaka mitady fiaraha-miasa hatrany amin’ireo mpamatsy vola hafa ny kaominina Ampitatafika satria misy amin’ireo mpiara-miombon’antoka teo aloha no tsy manohana intsony, araka ny fanazavan’ny ben’ny tananan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado.

Vous aimerez aussi