« Itaosy mandroso, milamina, madio ary tsara tantana ». Io no teny filamatra sy laharam-pahamehana ho an’i Rova Andrianjaka, tanora vao erotrerony, kandidà natolotry ny Antoko Tiako i Madagasikara miaraka amin’ny vovonana Firaisankina, ao Atsimondrano. Mitondra ny laharana voalohany, ao amin’ny biletà tokana, ho fidiana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, hotanterahana ny 11 desambra ho avy izao ny tovolahy.
Amin’ny maha mpamboly sy mpiompy ny valopolo isan-jaton’ireo mponina ao anatin’ny fokontany miisa enina mandrafitra ny kaominin’Itaosy dia hijery manokana ny tetika sy paika hahafahana manampy azy ireo ny tenako, hoy i Rova Andrianjafy. Tafiditra anatin’izany ny fanolorana fampiofanana azy ireo ahafahana mampitombo ny vokatra sy hanatsarana ny kalitaom-bokatra, fanampiana amin’ny famatsaiana masomboly, zezika, sns. Maro amin’ireo mponina eny Itaosy ihany koa no manao ny asa tanana sy misehatra amin’ny taozavatra ho velontenan’izy ireo. Tsy ho diso anjara izy ireo fa hisy ny fampiofanana arakasa ary hahazo tombony manokana amin’izany ireo tanora. Ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina andavanandro, araka izany, no anisan’ny fanamby goavana apetrak’i Rova Andrianjaka.
Nomarihan’i Kandidà Rova Andrianjaka ihany koa fa hisy ny fiahiana manokana ireo Olombelona marefo, ny vehivavy ary ireo tanora mila tolo-tanana mba hahafahan’izy ireo mihoitra hatrany amin’ny fiainana. Miara-dalana amin’ireo rehetra ireo ny asa fikojakojana ireo fotodrafitrasa eny an-toerana eo amin’ny lafiny fampianarana, ny fambolena ary ny fanamafisana orina ny fandriampahalemana. Omena laka bebe kokoa anatin’ny tetikasam-pampandrosoana novolavolain’i Rova Andrianjaka miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolontsain’ny tanàna miaraka aminy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny lafiny fahasalamana. Tsy olom-baovao amin’izany rahateo i Rova Andrianjaka noho izy efa mitantana tobim-pitsaboana eny Itaosy.
Zava-dehibe fa tsy ny kely indrindra anatin’ny tetim-panorona hoenti-mampandroso ny Kaominin’Itaosy ny sehatrasa ho amin’ny fampiroboroboana ny lafiny kolontsaina sy ny Riba. Anisan’ny ahafahana manamora ny fanatanterahana izany ny fametrahana ny »filan-kevitra ambonin’ny Olon-kendry » isam-pokontany. Tonga ny fotoana handraisana andraikitra ho fanatanterahana ny asa fampandrosoana ho an’ny Kaominina Itaosy. « Ny tanora afaka mandeha haingana sy mafy fa ny zokiolona no mahita ny lalana », hoy i Rova Andrianjaka. Ilaina hatrany, araka izany, ny fakana hevitra amin’ireo Zoky ray aman-dreny eo amin’ny tanàna ho amin’ny fanatanterahana ireo drafim-pampandrosoana efa maty paika. Raha fintinina, ny hitondra fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra mba ho Valibabena ho an’ny Laominin’Itaosy, Vohitra nitaiza sy nahalehibe azy no nanosika an’i Rova Andrianjaka handray andraikitra sy tsy hiamboho adidy. Mbola Tanora rahateo ny tovolahy.