Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny ONY House Ambatobe, ny 10 sy ny 11 janoary ho avy izao, i Jyeuhair. Izy izay mpanakanto Malagasy nipetraka any France efa nandritry ny 16 taona ary efa fanta-daza maneran-tany.
Ity seho voalohan’i Jyeuhair eto Madagasikara ity izay hotronin’ny mpanakanto malagasy Joyce Mena Makua ka hiantsehatra amin’ny tapany voalohan’ny fampisehoana araka izany ny tenany. Hanolotra ny tsara amin’ny alalan’ny kantony araka izany i Jyeuhair mandritra ireo roa andro ireo. Mpanohana ofisialy ny fampisehoan’i Jyeuhair ny orinasam-pifandraisan-davitra Yas izay manana ny foiben-toerany eny Andraharo sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny Yas dia miantsehatra manokana amin’ny fanosehana ireo Malagasy manan-talenta izay mila ampivelarina. Antony hitondrany izany talenta malagasy izany manerana izao tontolo izao. Amin’ny ankapobeny dia mivoy ny gadon-kira rehetra ny mpanakanto Jyeuhair.
Ankoatry ny fampiroboroboan’ny Yas ny kolontsaina Malagasy izay tena manan-danja be dia be tokoa eto Madagasikara dia izao mitondra ny anjara biriky amin’ny fanohanana ireo manan-talenat izao ihany koa ny Yas. Teny filamatry ny Yas ny hoe: “Isika Iray”. Ny Ony House dia tsy vao izao no nikarakara fampisehoana fa efa nikarakara izany ny volana Septambra 2022, teny Mahamasina. I Jyeuhair indray dia tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara noho ny mozika taorian’izay 16 taona nipetrahany tany France izay. Nanomboka teo amin’ny faha-13 taona no nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny kanto i Jyeuhair. Ny tapakila dia efa afaka jifaina eny an-toerana na amin’ny alalan’ny mailaka eric.projet.ony@gmail.com, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Yas, Andrianjatovoniarivo Henintsoa.