Hajambololontiana Jack Thierry, no tena anarany. Endrika sy anarana tsy atoro fa hita eo amin’ny habaky ny mozika sy ny fikarakarana seho ara-java-kanto i Jack Thierry. Tany amin’ny taona 1991 izy no nanomboka nisehatra tamin’ny lafiny fitendrena zavamaneno (Gitara beso) tany anatin’ireo fanafanana lanonana marolafy tahaka ny Alim-pandihizana. Nitohy ny Dia ho an’ny lehilahy tamin’ny fiaraha-mitendry tamin’ireo « Orkestra » maro fanta-daza teto an-tanàna toy ny « Orkestra Sariaka ». Tsy vitsy ihany koa ireo tarika efa niarahan’i Jack Thierry niasa. Singanina amin’ireny ny Groupe « Soleil ». Ireny lalana nodiaviko rehetra ireny, hoy i Jack Thierry no toy ny Sekoly sarobidy sy tokana aman-tany namolavola ny talentako sy nahafahako nanatevina miandalana ireo traikefa ombana haizatra eo amin’ny lafiny mozika. Mankafy ny feo migobona (Basse) ny lehilahy ary io fankafizana io no naharoboka tanteraka azy handalina hatrany ny tontolon’ny gitara beso.
Ankoatry ny maha mpitendry zavamaneno azy. Nandalina ny lafiny fandrindrana hira sy ny fikirakirana ny feo ihany koa i Jack Thierry. Teraka tany amin’ny taona 2004, araka izany, ny « Eto Studio » izay trano fandraisam-peo anisan’ny raitra tokoa eto Anananarivo ankehitriny. Nivelatra hatrany ny sehatrasan’ny lehilahy ary nipaka tamin’ny fikarakarana seho ara-javakanto sy ny famolavolana « artistika » ireo « Mpanao kanto » maro izany taty aoriana.
Tia manao fanamby goavana
Mampiavaka an’i Jack Thierry ny fitiavany manatontsoa fanamby lehibe eo amin’ny fiainana. Anisan’ireny ny namokarany ny kapila mangirana « Inty no izy » izay nirakitra ireo sanganasan’i Dadagaby « Ny Voninavoko ». Natao ny fanajariana azy iny, hoy i Jack Thierry mba hametrahana amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ny « Vakodrazana » sy ny « Hiragasy » mampiavaka ny an-kibon’Imerina ary nahafahana nanatanteraka ara-bakiteny ilay hoe : « Vakodrazana mampierika » ihany koa ny kapila « Inty no izy », hoy hatrany ny lehilahy. Fanambylehibe tontosan’i Jack Thierry ankoatr’izany ny nampahafantarana ny « Batrelaky » izay novoizin’i Lôla sy ny fanatontosana ilay seho goavam-be niarahana tamin’ireo mpanakanto niisa 42, tetsy Antsonjombe. Nanterin’i Jack Thierry hatrany nandritra ny tafa nifanaovana taminy fa mitaky fahamatorana sy finiavana ary finoana matanjaka ny fiatrehana ny famakivakiana ny lalan-tsarotry ny mozika raha tiana ny hahazoana fahombiazana.