IVON’NY FANKALAZANA « ALAHAMADIBE 2024 » Homarihana eny Mananara Ambatofahavalo

Ny 09 Aprily hatramin’ny 11 Aprily no hanatanterahana ny  Ivon’ny fankalazana ny Alahamadibe 2024, eny amin’ny Doany Mananara Ambatofahavalo Dadabe Andriamanandroanio. Ity farany izay tsy iza fa mpanandron’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina « Imboasalama ». Ireo « Mpandala ny Alahamadibe » manana antom-pisiana  ho amin’ny fanandratana ny fomban-drazana sy ny famerenana ny fomba teto Imerina no mikarakara azy ity izay mivondrona anatin’ny « Tsy mamorona fa mamelomaso » ahitana ireo mpanandro, mpimasy, mpitaiza,  sns…

Ny Alahamadibe  dia ny fanamariahan’ny eto an-kibon’Imerina ny fiandohan’ny taona izay manaraka ny fanandroana isalava. Mitety taona, araka izany, ny Alahamady.

Ny Talata 09 Aprily no fanokafana ny fankalazana. Hitohy ny Alarobia 10 Aprily amin’ny fanatanterahana ny fankalazana ara-drazana ny fandaharam-potoana, hisy ny « lamalama » (firesahana amin’ny fanahy), ny arendrina, fidiovana, famonoana ny akoholahy mena izay ho embohana amin’ny afo tsy maty ary ho tazana eny an-toerana amin’ity fotoana ity ihany koa ny vono omby sy ny zara hasina. Ny Alarobia 10 Aprily ihany no hitokanana ny Lapa amin’ny fomba ara-drazana. Ny Alakamisy 11 Aprily no hanaterahana ny lanonana ara-panjakana hisian’ireo lahateny ataon’ireo Olom-panjakana nasaina sy ny fitokanana ny Lapa ara-panjakana. Ny « Fihasinana » (Manandratra ny hasina) no tanjona anatin’ny fantanterahana ny Alahamadibe izay ezahana hotanterahana anatin’ny firaisankina tanteraka. Io no nahatonga ireo mpikarakara nametraka ny hoe : « Ivon’ny fankalazana ny Alahamadibe 2024 ».

Vous aimerez aussi