Anisan’ny nandray anjara tamin’ny “salon des étudiants” izay natao farany teo ny sekoly ambony ISSUP na “Instistut Supérieur Privé Professionnel” etsy Behoririka ary afaka nampianatra sy nanoro ireo mpianatra afaka bakalorea izay nanao fitsidihana ny trano evan’ny Issup ny tompon’andraikitry ny sekoly.
Nambaran’ny talen’ny sekoly, atoa Ramiandrisoa Lalaina, fa efa manana traikefa amin’ny fampitana fampianarana ho an’ny mpianatra hiditra hianatra ao amin’ny Issup ny sekoly. Ny 21 oktobra ho avy izao ny fidirana ho an’ny “vague” voalohany, izany hoe ho an’ny taona voalohany sy faharoa, izay mianatra na/sy misafidy ny taranja lalàna sy fitantanana. Taranja lalàna sy fitantanana no ianaran’izy ireo. Lalàna izay ahitana ny “Droit Privé” sy “Droit Public”.
Ny fitantanana kosa dia mianatra ny “Commerce International”, “ Comptabilité Finance”, “Gestion Ressources Humaines” na GRH, “Marketing & Action Commerce” ary “licence en gestion”. Ny diplaoma omen’ny sekoly dia ahazoana fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy siantifika. Marihana, fa miezaka ny manome fahafaha-po ho an’ny mpianatra mianatra ao aminy ny sekoly, raha ny fanazavana.