Efa tany amin’ny taona 1979 no efa nivoaka ny fehin-kevitry ny Firenena MIKAMBANA fa an’i Madagasikara avokoa ireo Nosy miparitaka”Îles éparses miisa efatra manodidina antsika. Aty amin’ny taona 2025 gaga ny Malagasy fa mbola hisy indray ny fifampidinihana hahafahana mametraka fiaraha-mitantana sadasada na tsy nambara MIVANTANA aza izany. Hatreto aloha izany dia “Tompony mangataka ny atiny” isika Malagasy. Tsy ny îles éparses ihany no mahaliana ny fanjakana Frantsay ny hibodo sy hifehy azy fa efa nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ampahibemaso ihany koa fa mahasarika azy ireo indrindra koa ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tanin’i Madagasikara.
Nosinganiny manokana ny “terres rares” Mazava, araka izany, fa tsy mihambahamba mihitsy ny Frantsay mikajy sy miketrika fatratra ny fomba hahazoan’izy ireo tombontsoa manokana ho azy. Manana “saribakoly” maromaro afaka hanamorana ny fanatanterahana izany rahateo izy ireo ankehitriny. Tonga ny fotoana hamelomana indray ny Afon’ny Fitiavan-tanindrazana ao amintsika teratany malagasy izay tsy ananan’ireo nanary ny maha Malagasy azy koa lasa “Vazaha taratasy” intsony. Hiverina indray ny fanjanahana amin’ny lafiny rehetra raha toa ka tsy mijoro sy saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena isika Malagasy. Tandremo fa mandady ny trambo ry Malagasy.
