HPM-ACS-FMKT-KIMM Miantso fifampidinihana ho an’ny firenena

Fanambarana voalohany niraisan’ny Hery Politika Mitambatra (H.P.M), ny “Amicale des Anciens CST et Senateurs de Madagascar” (A.C S) sy ny Fikambanan’ny mambran’ny kongresin’ny tetezamita (F.M.K.T) ary ny Komity iombonan’ny mpiasa Malagasy (K.I.M.M), ny fiantsoana ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena mba hiara-hidinika amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Tsy araka ny tokony ho izy mantsy ny zava-misy iainana eto Madagasikara indrindra fa ny iainan’ireo mpiasa Malagasy ka tena ilaina vahaolana haingana sady mazava. Tanjona ny hanavotana ny firenena manoloana izao mianjady amin’ny Malagasy izao. Ny zoma 17 janoary ho avy izao eny Faravohitra no fotoana heverin’ireto tompon’andraikitra ireto fa hanatanterahana izany antso fifampidinihana izany. Manantena ny rehetra ho avy hanatrika izany fifanakalozan-kevitra izany ireto mpiantsehatra ireto, araka ny fanazavana voaray avy amin’izy ireo.

Vous aimerez aussi