HOPITALY BEFELATANANA Andoavam-bola hatramin’ny manary maloto

Tsy mbola nisy tao anatin’ny enimpolo taona ! Tanteraka ara-bakiteny tokoa io raha  ny zavamisy iainan’ireo marary sy ny mpikarakara azy ireo ao amin’ny hopitaly Befelatanana no asiana resaka. Noho ny fahasimban’ny ankamaroan’ireo toeram-pivoahana sy ny olan’ny famatsiana rano ao amin’ity toeram-pitsaboana ity tokoa mantsy dia voatery midina eny amin’ny toeram-pivoahana manakaiky ny toeram-piantsonan’ireo fiara ao amin’ny hopitaly Befelatanana ireo manana marary. Ankoatry ny fahasahiranana miampy ny harerahana mivezivezy amin’ny tohatra iainan’ireo mpikarakara ireo tsy salama eny an-toerana dia akory ny hagagan’ny gazety Basy Vava niaina nivantana ny tranga fa andoavam-bola manomboka amin’ny zato ariary hatramin’ny dimanjato ny fanariana ny maloto ao amin’ity toeram-pivoahana ity. Marihana ihany koa fa sandaina ariary zato ny fanaovana fivalanan-drano ary roanjato ariary raha ventiny amin’ity toeram-pivoahana ity.

Nomarihan’ireo tomponandraikitra, fa arakaraky, ny maloto arianao (Ventiny na ranony) ny vola aloanao. Manginy fotsiny ny vidin-drano izay zato ariary ny iray tavoahangy hanadiovana ny tavimandry. Mifanjevo ao, araka izany, ireo teren’ny fahaporetana sy ireo hanary ny maloto ao anatin’ireo tavimandry nampiasaina ny alina tontolo. Vokany, teraka ho azy ny filaharam-be ao amin’ilay toerana fanariana ny mavesatra isaky ny maraina. Mitombo ny vola lany, ny fahasorenana miampy ny harerahana sy ny fotoana lany. Tsy tanteraka ao amin’ity toeram-pitsaboana ity aloha izany hatreto ilay hoe : « Ny marary Andrianina » fa toa ny mifanohitra tanteraka amin’izany no iainan’ireo marary sy ny mpanaraka azy ireo eny an-toerana. Sao mba ny endrin-javatra tahaka itony no tokony hataon’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ho laharam-pahamehana ny fanarenana azy maika fa mijaly tanteraka ireo Malagasy mpiray tanindrazana amintsika tojo tsy fahasalamana ? Ny vidim-panafody etsy ankilany tsy mitsahatra manonga nefa dia mbola misy vola ambony apanga tsy maintsy aloan’ny marary sy ny mpikarakara azy.

« Lavitry ny afo ny kitay » raha ny fanatanterahana ilay fampanantenana nanodoka nanao hoe : « tsy handoavam-bola ny fitsaboana marary eny anivon’ireo hopitalim-panjakana » no tarafina amin’izao endrin-javatra etsy Befelatanana izao. Tsy ny fanamboarana maika ireo toeram-pivoahana sy ny famahana ny olan’ny famatsiana rano ve no tena vahaolana ho an’ny hopitaly Befelatanana amin’ity tranga misy ao ity e ? Jereo akaiky ry « Tomponandraikitra » ny fanolorana vahaolana maharitra fa mijaly ireo marary sy ny mpikarakara azy ireo ao Befelatanana ao a ! Entanina ihany koa ireo mpampiasa ny toeram-pivoahana mba hitandro ny fahadioavana sy hanaraka ny fandaminana hapetraka ho fikojakojana ny « fananana iombona » rehefa rahatrizay vita ny asa fanamboarana. Mila hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana azy ireny ny tomponandraikitra. « Tsy adidiko Izaho samy irery, fa adidiko Izaho sy Ianareo », hoy ny Ombalahibemaso. Alao hery àry e !!!

Vous aimerez aussi