Rolland Raelison, mpihira, mpamoron-kira andrarezina, mpitendry vatamaroafitsoka ngezalahy ary mpampianatra mozika ikoizana atsy amin’ny nosy La Réunion ankehitriny. Hisy ny seho « Vakana sarobidy » hitondrana an-tsehatra indray ireo sanganasany. Hotontosaina etsy amin’ny Plaza Ampefiloha, ny tolakandron’ny, sabotsy 7 marsa ho avy izao.
Hifandrimbona
Salomon, mpanakanto zokiny anisan’ireo efa namelona hatrany ireo sanganasan’i Rolland Raelison, miampy an’i Rija Ramanantoanina, Luc sy i Mahery, ary ry Lizah Raseta. Handray anjara ihany koa ireo mpanakanto zandriny toa an’i Miharisoa sy i Faniry Raelison, ity farany izay zafikelin’i Rolland Raelison. Niniana nampiarahana ireo mpanakanto zokiny sy zandriny ireo, hoy ny mpikarakara mba ahafahana mihazona ilay angolam-peo sy fandrindrana napetrak’i Rolland Raelison, ao anatin’ireo « Kalon’ny omaly » nojariany.
Notsongaina manokana hoenti-mandrafitra ny fandaharan-kira, eny amin’ny Plaza Ampefiloha, ireo sanganasan’i Rolland Raelison, tsy nety vasoky ny taona nifandimby, toy ny «Handao anao », «Vakana sarobidy », « Nankaiza re ? », sns, hoy ireo mpikarakara, mba ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ny « kalon’ny omaly » novokarin’i Rolland Raelison. Taratra anatin’ny sanganasan’i Rolland Raelison mandrakariva ny fahaizany mamolaka sy mampiasa ny teny malagasy hoenti-manefy ireo tononkirany.
Mirakitra hafatra mafonja ireo vazon’i Rolland Raelison, mpanakanto efa zokiolona mitondra avo hatrany ny fanevan’ny mozika malagasy ity. Tsongaina amin’izany ilay hirany « Vakana sarobidy », mampita hafatra ho an’ny Malagasy amin’ny tokony hanomezana hasina hatrany ny soatoavina navelan’ireo razana ho antoky ny firindran’ny fiainan’ny fiarahamonina.
