HELOKA ARA-TONTOLO IAINANA Tontosa ny fanentanana, hirosoana ny fanasaziana

Ny fandorana tanety, fanondranana antsokosoko ireo biby sy hazo sarobidy. Ireo no anisany voasokajy anatin’ny heloka ara-tontolo iainana. Tsikaritra ho goragora ihany ny fampiharana ireo sazy mifanandrify amin’ny heloka ara tontolo iainana eto Madagasikara hatramin’izay.

Ny fanentanana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena hanaja ny tontolo iainana rahateo no nimasoana hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Ankehitriny, hiroso amin’ny fanasaziana henjana ireo tratra manao izany ny tompon’adraikitra miahy ny tontolo iainana.

Hampiharina ny sazy henjana

Miezaka mamerina ny fanarahan-dalàna ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ankehitriny. Tsy ekena intsony, araka izany, ny fisian’ny tsindry maro sy ny fanamaivanana ny heloka ara tontolo iainana, hoy ny ministra Raharinirina Baomiavotse Vahinala.

Ho fampiharana ny lalana, efa voapetraka ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy miaraka amin’ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ary ny minisiteran’ny fitsarana. « Tsy afa misaraka ny fiaraha-miasa amin’ireo rantsa-mangaika ireo », hoy ny minisitry ny tontolo ianana sy ny harena lovainjafy raha tiana ny hahazo vokatra mahafapo amin’ny fihazana ireo mpanao ny heloka ara tontolo ianana. Maro ireo efa nidoboka am-ponja tamin’ny fanondranana ireo hazo sarobidy.

Fanontanian’ny valalabemandry ny hoe : Anisan’ny tsy afa bela amin’izany ve ireo atidoha sy trondro vaventy mpiketrika ny asa ratsy sa … ?

Vous aimerez aussi