“HAVILA SCHOOL” ANALAKELY : Nampiofana momba ny “Charcuterie artisanale”

Ny fampirantiana ny asa tanan’ireo mpiofana rehetra tamin’ny “MasterClass” maimaim-poana momba ny fanamboarana “Charcuterie” vita amin’ny akora voajanahary no “Buffet dinatoire” nokarakarain’ny Sekoly Ambony mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny lakozia “Havila School” izay manana ny foiben-toerany eny Analakely, ny zoma lasa teo. Ity “MasterClass” maimaim-poana momba ny fanamboarana “Charcuterie” ity izay naharitra telo andro. Izany hoe nanomboka ny talata 15 ka nofaranana ny alakamisy 17 aprily 2025.

Tanjona tamin’izao fanamboarana “Charcuterie artisanale” izao ny mba hihinana sakafo voajanahary izay tsy nampiasaina akora simika sy ny manodidina izany kanefa voatr’olombelona ka hahasalama kokoa. Ny Sekoly Ambony mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny lakozia “Havila School” eny Analakely izay te hametraka ny “Charcuterie artisanale” eto amintsika fa tsy ny “Charcuterie” indostrialy izay fihinan’ny sarambambem-bahoaka isan’andro. Tsiron-kanina natoraly araka izany no vina apetrak’ity Sekoly Ambony izay manana ny foiben-toerany eny Analakely ity.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ity fampiofanana momba ny “Charcuterie artisanale” ity ireo mpianatra avy ao amin’ny Sekoly Ambony mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny lakozia “Havila School” eny Analakely sy ireo mpianatra avy ao amin’ny “INTH Ampefiloha” ary ireo mpianatra avy any amin’ny Hotely « La Rizière » Fianarantsoa. Tsy diso anjara amin’izany ihany koa ny avy amin’ireo hotely matihanina tahaka an’ “Ibis” sy “Novotel” ary “Calupso” Toamasina. Ny Chef Alain Montassier avy any France no nitarika ity fampiofanana “Charcuterie artisanale” ity.

Ny fiseharana amin’ny fanamboarana sakafo matihanina tahaka izao eto Madagasikara izay tena mbola sarotra tokoa. Ilaina sehatra hafa fanampiny mihitsy mantsy izany ankoatran’ireo sakafo efa fahita sy fihinana isan’andro na eo amin’ny lafiny fahasalamana na eo amin’ny lafiny tahirin-tsakafo indrindra fa ny eo amin’ny hitan’ny maso sy ny tsirony. Ny Sekoly Ambony mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny lakozia “Havila School” eny Analakely dia hamoaka fandaharam-piofanana “Premium”, ny farany volana aprily 2025. Izy io izay hiarahan’ity sekoly ity amin’ny “Ecole Ferriere” any France. Fiofanana avo lenta mahakasika ny tontolon’ny fandraisana vahiny sy ny nahandro matihanina no hohalalinin’ireo mpiofana amin’izany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Sekoly Ambony mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny lakozia “Havila School” eny Analakely.

Vous aimerez aussi