GROUPE « NY FITIA » Miangaly ny « Mozika evenjelika Sihanaka »

Hanamarika ny faha-05 taona nijoroany, amin’ny taona 2024 hiditra io ny Groupe « Ny fitia ». Tarihan’i Fanokely. Ity farany izay efa manana traikefa sy haizatra matanjaka eo amin’ny lafiny fitendrena zavamaneno (Gitara maranim-peo) sy ny famoronana tononkira ombam-peony noho izy efa nilona an-taonany maro tao anatin’ny habaky ny mozika. Ny Pasitera Randriamampionona Daniel, izay manatanteraka ny asan’ny mpiandry ondry, eo anivon’ny fiangonana FJKM Bejofo Fampihavanana, synodam-paritany Alaotra Chrome, no filoham-boninahitry ny tarika. Tao anivon’ny fiangonana FJKM Bejofo Fampihavanana rahateo no nahaterahan’ny Groupe « Ny fitia ». Antom-pisian’ny tarika ny hitory ny filazantsaran’i Kristy, amin’ny alalan’ny talenta ao anatin’ireo mpikambana. Marihana fa zanaky ny fiangonana avokoa no mandrafitra ny Groupe « Ny fitia ».

Anisan’ny mampiavaka ny tarika ny fivoizana ny « Hôsika » mampiavaka ny faritr’Alaotra. Mirona kokoa amin’ny filalaovana sy famolahana ny gadona mihetsika toy ny « Salegy… » anatin’ny sokajin-kira evenjelika ny Groupe « Ny fitia », hoy i Fanokely. Misy « jijy » ihany koa any anatin’ireo sanganasan’ny Groupe « Ny fitia » mba hanamorana ny fampitana ireo hafatra mafonja raiketin’ireo tononkira. Azo ambara ho mivoy ny « Mozika evenjelika Sihanaka », araka izany, ny tarika Anisan’ireo vazo mitaiza fanahy nahafantarana ny Groupe « Ny fitia » ny « Gônan’i Jesosy ». Eo ampiketrehana ny rindran-tsary ombam-peo amin’ny endrika DVD andiany faharoa ankehitriny ny Groupe « Ny fitia » izay handimby ny voalohany nirakitra rindran-tsary niisa 13. Hiara-dalana amin’izany ihany koa ny fanatanterahana fitetezam-paritra ho fanatanterahana ilay hoe : « Mitoria teny vaovao mahafaly ho an’izao tontolo izao ». Ramatoa Noro izay filohan’ny mpanazava SAMPATI no misahana ny fitaizana ara-panahy sy ny lafiny fandihizana eo anivon’ny tarika. I Anjara, no mitan-tsoroka amin’ny famoronana ny soradihy. Mariah, Larciah, Tandrify, Manampy, Fanampy, Tsilavina, Malalatiana, Tsinjo, Finoana, Anjara, Kely, Keissah,, Mia, Hasina, Avotra ary i Aina no mpandihy. Ny hanolotra ny kanto sy ny meva hatrany ho voninahitr ‘Andriamanitra no tanjona ho an’ny tarika.

Vous aimerez aussi