GROUPE ALAIN RABEVASON - 20 TAONA : Miketrika seho sy rakitsary

Alain Rabevason, lehiben’ny « GAR ».

Ny taona 2002 no nahita masoandro ny Groupe Alain Rabevason « GAR ». Tarika resy lahatra amin’ny ambongadiny amin’ny fampiasana ny talentan’izy ireo ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara tanterahana amin’ny alalan’ny hira sy dihy an-tsehatra. I Alain Rabevason izay mpmoron-kira no mpandrindra no angady nananana sy vy nahitana ny « GAR ».

Mampiavaka ny Groupe Alain Rabevason ny fahafehezan’izy ireo ny bankira rehetra (Mihetsika sy milamina) misy eto ambany masoandro. Tsikaritra ironan’izy 15 mianaka mandrafitra ny « GAR » ny filalaovana ny gadona mihetsika « Mafana » toto-tanana Malagasy sy ny an’ireo Vahiny. Mitaona mandrakariva ireo liankanto hiantoraka amin’Andriamanitra ny tononkiran’ny tarika.

Fiketrehana ny famoahana ny kapila mangirana laharana faha-04 « Aza maloka » sy fikarakarana seho goavana eto Analamanga ary mety hipaka hatrany amin’ny faritra. Ireo no fandaharam-potoana efa voafaritr’ireo mpikambana eo anivon’ny Groupe Alain Rabevason, hanamarihana ny faha-20 taona nilonan’izy ireo tamin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny mozika sy ny hira ary ny dihy. Tsy mifidy fiangonana na fikambanana hiaraha-miasa ho amin’ny fanabeazam-boho ny sehatry ny asa fitoriana ny « GAR ».

Vous aimerez aussi