GROUPE 3 MI Mitory an-kira sy dihy

18 taona katroka lasa izay no nananganan-dRakotoarison Njaka ny Groupe 3 Mi. Ny isa « 3 » manamarika ireo telo mirahalahy mpikambana voalohany ary ny Mi, midika ho : « Mihira », « Midera » ary « Mivavaka ».

Nomarihan’i Njaka mpitarika ny groupe 3 Mi fa ny hitarika hatrany ireo mpankafy ny sanganasan’izy ireo hiantoraka mandrakariva amin’ilay Ray tsitoha ary hanankina hatrany ny fiainana amin’Andriamanitra no antom-pisian’ny tarika, izay ahitana mpikambana manodidina ny 10. Tsy voafetra amin-gadona tokam-bolo ny lokomozika lalaovinay, hoy hatrany i Njaka, fa mivelatra tanteraka amin’izay bankira misy eto ambany masoandro mba ahafahana mitaona ireo sokajin-taona rehetra hody am-balan’ny finoana an’Andriamanitra. Nomarihany ihany anefa fa mirona kokoa amin’ny fivoizana mozika milamina « Slow » ny sanganasan’izy ireo. Ny soratra masina notsoahana avy ao anatin’ny baiboly miampy ireo trangam-piaraha-monina tetsy sy teroa no akora fototra entin’i Njaka manajary sy manefy ireo tononkira mitaiza fanahy atobany ho an’ireo mpankafy. Ireo mpiantsoroka ny dihy ihany no mamolavola ny soradihy handravahana ireo hira.

Ampahany amin’ireo vazo efa tsy afaka am-bavan’ny maro ny « Antso » kaloin’ny « Groupe 3 Mi ». Ity farany izay nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanan-kira « Tafolanitra » teo anivon’ny Televiziona nasionaly malagasy. Efa manangasanga any ihany koa ny famoahana ilay hira « Ny lanitra no seza fiandrianako » izay noforonin’i Ndriana Ramamonjy. Vinanasa amin’ity taona ity ny famokarana ny kapila mangirana laharana voalohany ho an’ny « Groupe 3 Mi » ho fanabeazam-boho hatrany ny asa fitoriana ny filazantsara.

Vous aimerez aussi