FRÈRE SAMUEL MPITSABO Misehatra amin’ny fitsaboana ny « Aretina tsy hita fototra »

Rasamoelina Tovonjaka Herizo, fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny fitsaboana mampiasa ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra miampy ny fampiasana ireo zavamaniry misy eto Madagasikara, amin’ilay anarana hoe : Frère Samuel mpitsabo. Dimy ambiny folo taona katroka no niseharan’ny lehilahy eo amin’ny seha-pitsaboana voajanahary amin’ny alalan’ny fisian’ny fanomezam-pahasoavana ananany laroina ny fampiasana ireo zavamaniry misy eto amin’ny Nosy.

Nomarihan’i Frère Samuel fa ilay fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra no tena ifotoran’ny fitsaboana ataony. Ny fananana io fanomezam-pahasoavana manokana io no ahafahako manatanteraka ny asa fitsaboana na tsy manatrika eo aza ny marary noho ny elanelan-tany, hoy, izy. Nomarihan’ny lehilahy ihany koa fa fantany avy hatrany ny aretina mahazo ny marary iray tonga manantona azy. Ireo « aretina tsy hita fototra ». Izany hoe : ireo « aretina » tsy tazan’ny fizahana ataon’ny Dokotera sy ny fitiliana ara-medikaly nefa miasa mamotika ireo taova ao anatin’ny Olombelona iray no iompanan’ny asa fitsaboana ataon’i Frere Samuel mpitsabo. Raha fintinina, ireo asan’ny « maizina » noho ny fialonana, ny fisomparana, mosavy izay miseho amin’ny alalan’ny fisian’ny rivotra ao anaty mitarika tsy fahasalamana ara-batana na koa tsy fahombiazana eo amin’ny fiainana (Asa fihariana, fianarana, sns). Io no namaritan’ny Frère Samuel mpitsabo, ilay, antsoiny hoe : « Aretina tsy hita fototra ». Tsy mitsabo aretina hafa ankoatry ny « aretina tsy hita fototra » intsony i Frère Samuel, izay monina etsy Andavamamba akaikin’ny Live Hotel. Fanamby napetrany ny hanatsra hatrany ny tolotra asa fitsaboana izay ataony.

Vous aimerez aussi