FRERE RANDRIANARIVONY PATRICK HUBERT Mampiasa ny tantara an-tsary hitoriana

Ny taona 1999 no efa nirotsaka an-tsehatra tamin’ny asa fitoriana ny mpitoriteny Randrianarivony Patrick Hubert « Frere Randrianarivony Patrick Hubert ». Nanosika azy hanabe voho ny asa fiotoriana ny fahitana nitranga taminy izay namela hafatra ny amin’ny tsy maintsy hampibebahana ny Olombelona maneran-tany mba tsy ho very ny fanahin’izy ireo.

Mampiavaka ny asa fitoriana ataon’ity mpanompon’Andriamanitra ity ny fampiasana ny tantara an-tsary (Bande dessiné) rehefa manatanteraka ny asa fitoriana izy. Tsotra ny antony, hoy ny lehilahy dia ny hanamorana ny fomba fampitana ireo hafatra raiketin’ireo tenin’ny soratra masina toriana amin’ny mpiara-belona. Miara-miasa, araka izany, ny maso  sy ny sofina eo ampihainoana ny toritenin-dRandrianarivony Patrick Hubert koa tsy mahagaga raha toa ka maro be no mahatadidy mandrakariva ireo toriteny apariakany. Nomarihany hatrany fa ny fitiavana fanahy ho vonjena hatrany no mibaiko azy eo am-panatanterahana ny adidy masina sy mafonja iantsorohany.

Tsy mifidy toerana hitoriana teny ny lehilahy toy ny any am-piasana amin’ny fotoana maha mety azy. Ny any anaty fiara fitateram-bahoaka, ity farany, izay efa nampiharihary ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny nahafahana nandresy ny asan’i Satana ny fanatanterahana azy miaraka tamin’ireo anjelin’i Jehovah miisa efatra izay miaro sy manao fahagagana. Miara-dalana amin’ny asa fitoriana ihany koa ny fanasitranana ireo aretina maro tsy sitram-panafody (Jamba nahiratra) sy ny fitondrana am-bavaka ho fialana amin’ny fahazaran-dratsy amin’ny endriny marolafy. Marihana fa misy ny fotoam-bavaka tanterahana, ao AnosizatoAtsinanana faharoa isaky ny sabotsy tontolo andro. Azo ambara ho sompitry ny vahaolana ho amin’ny fiainan-janak’Olombelona ny vavaka tsy mihambahamba tahaka izao iarahana amin’ny Frère Randrianarivony Patrick Hubert izao. Ny laharana 034 01 218 87 sy ny 033 12 391 96 no ahafahana miserasra mivantana aminy.

Vous aimerez aussi