FIVORIANA ARA-POTOANAN’NY ANTENIMIERA Miankina amin’ny fanambaran’ny Filoha, ny 2 mey izao

Voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana andininy faha-75, fa mivory ara-potoana indroa isan-taona mandritra ny 60 andro avy ny Antenimierampirenena. Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny voalohany, ary ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra ny faharoa. Ny 5 mey izao no tokony hanomboka ny fivoriana etsy Tsimbazaza, saingy mbola baraingo na ho raikitra na tsia izany noho ny vanim-potoana manokana sy ny hamehana ara-pahasalamana. Efa vonona ny amin’ny hisokafan’izany fivoriana ara-potoana izany rahateo ireo depiote.

Mbola fandinihana be ny amin’ny 2 mey, satria ny 5 mey ny fivoriana, hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa. Amin’io 2 mey io rahateo ny fanapahan-kevitry ny Filohampirenena, ka miankina amin’izay ny an’ny Antenimierampirenena. Raha mitohy ny fihibohana, ka tsy afaka mivory, dia efa nomen’ny Lalàmpanorenana hanao lalàna amin’ny alalan’ny didy hitsivolana ny Filohampirenena, indrindra fa mikasika ny fanapahan-kevitra ara-tsosialy, hoy ny Filohan’ity andrim-panjakana ity. Tsy ilaina akory aza ny fampandaniana izany amin’ireo parlemanta roa tonta. Raha zavatra mavesatra tsy zakan’ny didy hitsivolana, dia hojerena eo ny fanapahan-kevitra manokana sy fivoriana manokana na dinika mahakasika ny volavolan-dalàna, hoy hatrany ny fanazavany.

Vous aimerez aussi