FIVONDRONAMBEN’NY MPIASA MALAGASY “Nandika lalàna ny governemanta, melohina ny fampiasan-kery”

Nanao fanambarana miaraka omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fivondronamben’ny mpiasa malagasy na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana fa manoloana ny fampiasan-kery omban-kerisetra izay atao amin’ny vahoaka malagasy maneho hevitra dia melohin’izy ireo amin’ny heriny manontolo ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho lasa herim-pamoretana. Manoloana ny fanambarana nanaitra ny maro nataon’ny filohan’ny antenimierandoholona dia melohinay koa, hoy izy ireo, ny fandrahonana ho faty natao taminy sy ny fianakaviany mba tsy hanekeny ny handray ny asan’ny filoham-pirenena mpisolo toerana.

ccvVoamarina izao fa tena fanonganam-panjakana anatiny na “coup d’Etat institutionnelle” ny nanendrena ny governemanta miara-mitantana tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian amin’izao fotoana izao. Ireo fihetsika ireo dia milaza fa fanjakana mafia no miorina eto amintsika sy tiana haorina eto amin’ny firenena. Voamarina ihany koa ny ahiahin’ny be sy ny maro fa fanjakana niorina tamin’ny lainga sy fandikan-dalàna no nisy teto amintsika tato ho ato. Miantso ny mpiasa malagasy izahay mba ho saro-piaro amin’ny maha mpiasa antsika satria tandindonin-doza ny fiainantsika, ny asantsika, ny hoavin’ny taranantsika manoloana ireto mpitondra tsy mendrika ireto! Mpandainga, mpisandoka, mpandika lalàna ireto olona ireto ka miantso ny vahoaka malagasy sy ny mpiasa rehetra mba samy hahatsapa ny hoe “mbola tokony hino sy handray baiko amin’ity fitondrana ity ve isika?”. Ny valiny dia tsia. Mitaky ny fametraham-pialan’ny governemanta izay mitondra amin’izao fotoana izahay, hoy hatrany ny Fivondronamben’ny mpiasa malagasy.

Vous aimerez aussi