Vatana, saina ary fanahy no mandrafitra ny atao hoe : « Olombelona ». Ny fikoloana azy ireo mitambatra no antoky ny maha « Olom-banona ». Io no antom-pisian’ny fivavahana « Hebreo notsrym », hoy i Shalar Andriamady Rija.
Tsy mijanona ho resaka na sanatria kabary ambony vavahady fotsiny izany fa azo tsapain-tanana ary hitan’ny maso ny ezaka isan’andro vaky ataon’izy ireo. Tsongaina amin’ireny ny fanapariahana tsy ankiato amin’ireo mpiara-miombom-bavaka eo anivon’ity fiangonana ity fa ilaina ny fananana fahatsorana, ny firaisankina, ny fifanampiana ary ny fandalana ilay fihavanana omban’ny fitondran-tena tsara (tsy midoroka zavamahadomelina, tsy mampirafy, sns). Miezaka ary mitandrina fatratra izay rehetra voasoratra anatin’ny Baiboly ihany koa ireo manaraka ny fivavahana « Hebreo notsrym » Ny fanarahana ny izay voarakitra anatin’ny Baiboly tokoa mantsy dia manamora ny fananan’ny Olombelona toetra mendrika toy ny fanomezana hasina ny aina sy ny fifampitsinjovana eo amin’ny fiainana mba hamparindra ny fiarahamonina. Misy rahateo ny sehatra malalaka ahafahana mandalina ny baiboly eo anivon’ny trano fivavahana « Beyt kneset », izay miorina, etsy Ankasina. Miara-dalana amin’izany koa ny fianarana ny fiteny Hebreo.
Marihana fa misehatra amin’ny asa sosialy tahaka ny fanabeazana ny eo anivon’ny fivavahana « Hebreo notsrym ». Misy, araka izany, ireo sekoly eny Ambohitrimanajaka sy Anosizto. Miainga any amin’ny kilasy garabola hatramin’ny kilasy famaranana. Nomarihan’ny Shalar Andriamady Rija fa ho fanampiana ireo Ray aman-dreny te hampiana- janaka nefa sahirana ara-pivelomana no antom-pisian’izy ireo. Mampiavaka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny sekoly ny fisian’ny fanabeazana ho « Olom-pirenena vanona » (Education civique » ho an’ireo kilonga beazaina ara-tsaina, vatana ary fanahy. Vinanasa manaraka ny hamelarana ny sehatrasan’izy ireo amin’ny lafiny fambolena, fiompiana ary ny fahasalamana. Tsy mamihina ho azy samy irery ny fivavahana « Hebreo notsrym » ireo mpitarika eo a nivon’ny fiangonana fa misy hatrany velan-kevitra arahana fanontaniana malalaka ombam-baliny mba tsy hihanana amam-bolony na sanatria ho kabary tsy valiana tsy ahitam-bokatsoa ny fanarahana ny fivavahana « Hebreo notsrym » miaraka amin’ny fikambanana « Madagasikara Nosy miavaka ».