Nandritry ny 8 taona sy tapany, tapaka lalan-drà, mikainkona ny vatany, dia sitrana tamin’ny fanafody vita tamin’ny zava-maniry, novokarin’ny FITRAMA na Fitsaboana Tradisionela Malagasy. Tao anatin’ny 3 andro, hoy ny filohany, atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina no sitrana io olona io. Hatreto dia maro ireo efa nahazo tombontsoa ara-pahasalamana taorian’izay iray volana sy tapany nijoroan’ny FITRAMA izay. Nisy ireo efa nitomaniana mihitsy saingy sitrana soa aman-tsara, raha vantany vao nandray ireo fanafody vita avy amin’ny zava-maniry izay novokarin’izy ireo izay. Tsy hamidy ny fanafody no sady tsy mivarotra ihany koa ny FITRAMA, fa “traitement” no hataon’ireo marary ao aminy. Toraka izany ihany koa ireo olona tapaka lalan-drà izay efa tsy niteny sy tsy nandeha intsony ny sasany. Afa-po sahady araka izany ny FITRAMA ary mino sy manantena ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana azy mba ahafahana manandratra ny voninahitr’i Madagasikara, toy ny nahitana ny vokatra CVO ho enti-manasitrana ny Covid 19 eto amintsika.
Ho an’ny FITRAMA manokana dia misy ireo mpamokatra sy ny voka-pikarohana izay efa talohan’ny IMRA, toy ny “Herbobra” izay izy no manao fenitry ny fanafody ary nandalo ny “Institut Pasteur”.
Ankoatra ireo olona tonga mitsabo tena ao amin’ny FITRAMA, dia betsaka ireo olona liana amin’ny fitsaboana nentim-paharazana eto amintsika. Ankoatra ireo olom-boafidy, mpitondra fivavahana, mpiasam-panjakana, mpitandro ny filaminana, ny depiote no tonga nanatona ny FITRAMA etsy amin’ny foibeny etsy amin’ny 67 ha, dia maro ihany koa ireo any amin’ny faritra no efa miantso sy mangetaheta izany.
Faritra roa
Ho an’i Toamasina sy Mahajanga dia efa niainga tamin’ny faran’ny herinandro teo ny zava-maniry naodina ho fanafody novokarin’ny FITRAMA naparitaka any an-toerana, araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Raha tsiahivana dia “eau florale” fa tsy tambavy izy io, izay kalitao faharoan’ny “huile essentielle”, handrahoina amin’ny alalan’ireo milina goavam-be manara-penitra any Farafangana izay toerana amina hektara maro ahitana ireo karazan-java-maniry izay vokarin’izy ireo koa. Ankoatra ireo olona manana olana ara-pahasalamana dia efa nalefa any an-toerana koa ireo karazana milina fanorana ho an’ireo olona tapaka lalan-drà na tratry ny Avc , izay hiaka farany ary nafarana avy any Sina raha toraka izany ihany koa ilay vokatra vaovao kely mavitrika natokana ho an’ireo lehilahy manana olana amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.
Nampivondrona
Anisan’ny fikambanana nampivondrona ireo mpitsabo nentim-paharazana ny FITRAMA. Samy manana ny fahaiza-manaony sy ny traikefany avokoa izy ireny, saingy nohatsaraina sy nampiroboroboana kosa. Tanjon’ireo ekipa rehetra mivondrona ao anatiny ny hikarakara ny fahasalaman’ny mpiara-belona ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe, “ny fahasalamanao no fifalianay”. Manana taratasy ara-dalàna mitondra ny laharana N° 00211, ny FITRAMA. Manana patanty izy, manana NIF sy statistika koa. Roso hatrany ny dian’izy ireo araka izany raha anisan’ny tanjona lehibe ho tratrariny aorian’ny fihibohana ny hanaparitahana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny any ivelany ka anisan’ireny ny fampahafantarana ireo karazam-bokatra vita avy amin’ny zava-maniry izay manasitrana aretina maro no sady natoraly tsy misy atahorana.