FITAKIANA IREO NOSY MANODIDINA : Tsy nampiraika ny vahoaka loatra

« Lalàna sy Tanindrazana : avereno aminay Malagasy ny Nosinay ! Efa taonarivo fahatelo isika izao ! ». Izany no anisan’ny sorabaventy hita eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra io maraina io, mandritra ny fihaonana fitakiana ireo Nosy malagasy (na îles Eparses).

Fihaonana izay nanomboka tamin’ny 9 ora maraina teo, ka hifampidinihan’ireo delegasiona roa tonta, izay tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ho an’ny Malagasy ary Marcel Escure, ambasadaoro misahana ny raharaha aty amin’ny ranomasimbe indiana kosa ho an’ny Frantsay.

Tsy nahataitra ny vahoaka loatra

Na dia nahitana antokon’olona ihany aza teny an-toerana dia tahaka ny andavanandro ihany ny fizotran’ny  fiainana teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra sy eny amin’ny tanàna ambony, ary ny eto an-drenivohitra mihitsy, ny maraina teo.

Tsy arakaraka ny fanentanana natao ny zava-misy. Tsy misy loatra ny sainam-pirenena nitsangana isan-tokantrano, ho fiaraha-miombona ity fitakiana ity.

Miserana fotsiny  ny olona sy ny mpianatra eny ambony eny. Ohatran’ny tsy misy ny fotoana manokana mikasika an’i Madagasikara takiana eny.

Tamin’ny 8 ora sy sasany moa no nigadona teny an-toerana ny delegasiona roa tonta.

Andrasana ny fehin-kevitra

Araka ny voalaza moa dia  tsy afaka hampita vaovao mivantana ireo delegasiona ireto fa andrasana kosa ny fehin-kevitra izay havoakan’ny Fiadidiana ny Repoblika, amin’izay dinika tapaka tao. Dinika izay tsy voafaritra ihany koa ny fe-potoana haharetany.

Fiaraha-mientana

Mandritra izany anefa no namoahan’ireo Malagasy sasantsany  ny heviny, ny amin’ny tokony hisian’ny fiaraha-mientana ka tokony hananan’ny rehetra firaisana, tahaka ny tamin’ny baolina kitra ireny. Tokony hisy sainam-pirenena ny fiara sy ny moto ary ny trano rehetra. Tokony hatao ny fidinana an-dàlambe sy ny fitokonana manoloana ny masoivohon’i Frantsa,…

IREO NOSY MANODIDINA SY NY HARENA MISY AO AMINY

Miisa dimy (5) moa ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara, dia i Europa, Bassas da India, Juan de Nova, Glorieuses ary Tromelin. Ity farany moa dia tsy anisan’ireo takiana satria efa lasan’ny Nosy Maorisy.

Mahatratra hatramin’ny 150.000 miliara dolara

Itoeran’ ireo karazan-trondro maro dia maro ary haren-dranomasina samihafa  ireo Nosy ireo. Ary ankoatra izany dia tombanana ho 12 miliara barils ny solika ary 10 miliara m3 ny gaz amin’ireo Nosy ireo, izay ny Frantsay no nitavana izany nanditra ny 100 taona izao.

Raha atontaly dia mahatratra 150.000 miliara dolara ny vidin’ny solika amin’ireo Nosy ireo.

Raha ny lalàna iraisam-pirenena tamin’ny 10 desambra 1982, mikasika ny lalàna mifehy ny ranomasina anefa dia mazava fa ny faritra ara-toekarena manokana dia manome zo feno ny firenena iray manana sisintany misy ny fari-dranomasina 370 Km miala ny sisintaniny. Araka izany dia tena an’i Madagasikara tokoa ireo Nosy ireo.

Ho an’ireo sambo izay mifamezivezy aty amin’ny fari-dranomasina misy antsika koa aza dia tokony handoa vola amintsika.

Vous aimerez aussi