Maro amin’ireo zavamaniry misy eto amintsika no azo hampiasaina hanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana ho afaka hiady amin’ny valanaretina mahery vaika toy ny coronavirus. Ampahany amin’ireny ny ravina voaroy hazo, ravintsara, kininimpotsy, voasary, goavy, sns.
Raha toa ka variana sy sondriana amin’ny fanimbana ny tontolo iainana toy ny fandorana tanety ny Malagasy hatramin’izay dia inoana fa ho tonga saina amin’izay isika mianakavy manomboka eto ka hahay hikajy toy ny anaka andriamaso ny zavaboahary toy ny zavamaniry sy ny biby miaina ao aminy. Hiditra amin’ny vanimpotoanan’ny main-tany sy ny ririnina izay mampahazo vahana ny fandorana tanety ihany koa isika atsy ho atsy. Entanina ny isam-batan’olona mba hampitsahatra hatreo ny fanimbana ny tontolo iainana toy ny fanaovana tavy, ny fandorana tanety ary ny fitrandrahana ny ala tsy voalanjalanja sy tsy voahevitra. Mandrora mitsilany ihany isika Malagasy raha toa mbola manohy ny fanimbana ny tontolo iainana toy ny fandorana ny tanety sy ny ala ary ny fandripahana ireo biby miaina ao amin’izy ireny.