FIRONGATRY NY DORO ALA SY NY DORO TANETY Mila mandray fepetra ny mpisehatra rehetra

Noho ny firongatry ny doro ala sy ny doro tanety izay manapotika ny firenena Malagasy ankehitriny dia nanao fanambarana ny FOkonolona miaro sy MItantana HArena VOajanahary ao anatin’ny TAFO MIHAAVO miaraka amin’ny FANONGA FOKONOLONA izay ao anatin’ny Firaisa-monim-pirenena avy amin’ny faritra 23 eto Madagasikara, androany zoma 10 janoary 2025, teny Amparibe. Vontoatin’ny fanambarana ny fanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo mpisehatra rehetra mba handray fepetra mifanaraka amin’ny famahana izao olana amin’atambo tsy roa aman-tany iainan’ny Firenena izao. Manainga ny sokajin’olona rehetra na ara-panjakana na tsy miankina ny mpanao fanambarana mba hampiasa hery sy fiarovana hisorohana izao mahazo ny Firenena izao. Raha ny mpisehatra rehetra miainga any ifotony ka hatrany amin’ny Filohan’ny Repoblika no miara-mientana dia ho entan- jaraina mora zaka izao raharaha ikambanana izao. Miteraka fahasimban’ny ala voajanahary sisa tavela izao fandorana ala sy ny harena voajanahary ary ny karaza-javamanan”aina rehetra eto Madagasikara izao. Lasa asa very maina ihany koa ny ezaka fiarovana sy fanarenana ary fitantanana efa notontosaina aman-taonany maro. Misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny olombelona toy ny tsy fahampian’ny rano sotroina sy ny rotsak’orana ampiasana amin’ny fihariana eny ifotony ihany koa izao fahapotehan’ny zava-boahary izao. Manapotika tanteraka ny fiainan’ny mpiara-belona araka izany izao firongatry ny doro ala sy doro tanety izao ka tokony hiara-hientana isika amin’ny fampitsaharana izany, araka ny fanambarana hatrany.

Vous aimerez aussi